Actualités

Tence Mena Hampahafantatra ny sangan'asany any ivelany


  • Alarobia 30 Aprily 2014

Hamaky lay ny sehatra iraisam-pirenena i Tence Mena. Hatombony amin'ny fandehanana any ivelany izany, entina hampahafantarana ilay rakikirany DVD fahatelo mitondra ny lohateny hoe : “Femmes originales”.

 Omaly no nanainga ho any La Frantsa i Tence Mena ary tsy hiverina eto Madagasikara raha tsy amin'ny 26 jona ho avy izao ao anatin'ny fankalazana ny fetim-pirenena. Tsotra ny tanjony raha araka ny fanazavany dia ny hampahafantatra ny sangan'asany manerana izao tontolo izao, indrindra fa ny asa famoronana izay mampiavaka azy amin'ny artista rehetra. Tafiditra ao anatin'izany sahady ny fandaharam-potoanany ny amin'ny hanaparitahany ny rakikirany any ivelany, faniriany efa taona maromaro lasa izay. Ahitana hira 12 isa moa ao anatin'io rakikiran'i Tence Mena fahateo io amin'ny fiteny gasy mifangaro teny frantsay mba ho azon'ireo teratany vahiny. Na izany aza anefa dia tsy hadinony isika eto an-tanindrazana. Hanomana fampisehoana lahibe any Morarano Chrome mantsy izy ny 27 jona mialoha ny hihazoany ny nosy La réunion hanatanterahany fampisehoana miisa roa be izao dia ny ao Saint Pierre sy ao Saint Denis. Hiverina eto indray izy ny volana jolay ka ankoatra an’Antananarivo dia hitety ny faritra avaratra sy atsimo izy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT