Actualités

Tena tsy mbola fahita 2.000 Ar ny kilaom-bary ankehitriny


  • Alatsinainy 07 Febroary 2011

Nanomboka ny zoma teo dia tafakatra 2.000 ariary ny iray kilao amin’ny fotsimbary. Ny makalioka sy ny vary gasy, izay tena tadiavin’ny mpividy ireto vary tena niaka-bidy ireo.

Ny vary “stock tampon” kosa mbola manodidina ny 1.400 ariary hatramin’ny 1.500 ariary ny kilao aminy. «Tsy izahay no te-hampiakatra ny vidim-bary, fa ny mpamatsy ny vary ao Ambatondrazaka mihitsy no efa tsy mamoaka intsony izao, ka izay kely mba hita ireo amidy mampiakatra ny vidiny ireo», hoy ireo mpamongady nanontaniana. Mbola nohamafisin’izy ireo aza fa «tsy mbola hitsahatra hatreo izao fiakarana izao noho ny fahavitsian’ny vary mivoaka».

Vokatr’izao olana ara-bary sy mahalafo ny vidiny izao, dia nanome ny heviny ireo mahay ny momba ny resaka vary ka nilazan’izy ireo fa «ny politika tsy mazavan’ny fanjakana tetezamita no anton’izao olana ara-bary izao. Raha vao tsikaritra ny olana ny taona lasa dia tokony ho efa nandraisana fepetra». Nambaran’ izy ireo koa fa «izao fitsabahan’ny fanjakana tetezamita amin’ny asan’ny mpandraharaha amin’ny fanafarana vary izao, dia vao mainka tsy hampilamin-javatra mihitsy, satria tsy hahafaly ireo tena mpandraharaha ka hisian’ny ady an-kafetsena hataon’izy ireo, ary izay vao tsy hidina intsony io vidim-bary io». Ankoatra izay, nambaran’ny teo anivon’ny mpiasan’ny ladoany Toamasina fa tsy mbola fantatra ny fotoana hahatongavan’ilay vary nohafaran’ny fitondrana tetezamita. Io vaovao teo anivon’ny ladoany io koa no nahalalana fa «na ity vary atao dokambarotra fa amidy mora ity aza dia tsy mbola niditra anaty sambo akory hatramin’izao, ary tsy fantatra ny toerana hividianana azy any ivelany, fa mbola eo am-pitadiavana azy any ireo iraka manokana nalefan’ny fitondrana FAT». 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT