Actualités

“Téléthon enina andro” Hanampiana ireo traboina rivodoza Hellen any Mahajanga


  • Zoma 18 Aprily 2014


 Voin-kava-mahatratra. Nanomboka ny alatsinainy teo ary hifarana rahampitso sabotsy ny «téléthon» na ny tolo-tanana amin’ny alalan’ny tsipaipaika ataon’ny vahoaka mandrotsaka izay foiny manoloana ny biraon’ny ORTU Ankilisoafilira Bazaribe Toliara entina hanampiana ireo traboin’ny rivodoza Hellen any amin’ny faritra Boeny. Ny vola azo rehetra amin’io dia haterina an’i Mahajanga, hoy ny tompon’andraikitra.

Hatramin’izao, tsy mitsaha-manentana ny vahoaka hatrany ny lehiben’ny Faritra Atsimo Andrefana, ny Jly Robert, fa voin-kava-mahatratra ary trano atsimo sy avaratra isika Malagasy ka izay tsy mahalen-kialofana, tanana havia sy havanana izay didi-maharary. Marisika ny mponin’i Toliara mandrotsaka izay voatsirambin’ny tanany hanampiana ireo mpiara-belona.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT