Actualités

Teknôlojia avo lenta Tsy mandeha ny tsena


  • Zoma 24 Desambra 2010

Araka ny filazan’ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny teknolojia avo lenta ka manana itony magazay «Hi-Tech» eto an-drenivohitra itony, dia nihena be mihitsy ny entana lafo tamin’ity taona 2010 ity.

Ny resahana eto moa dia ireo fitaovana momba ny teknôlôjia avo lenta tahaka ny finday, ny balladeur Mp3, Mp4, ny I Pad, ny «ordinateur portable» sy ny maro hafa miaraka amin’ny kojakoja mifandraika amin’izy ireo tsirairay avy. Raha nitranga ny krizy tamin’ny 2009 dia nisy ihany ny fihenan’ny entana lafo, saingy tena nitotongana mihitsy izany tamin’ity taona ity, hoy indrindra ny mpivarotra tao amina magazay iray. Araka ny fanazavany ihany dia tsy hoe ny olon-tsotra ihany no tsy mividy entana intsony fa na dia ireo orinasa zatra izany teo aloha aza dia tsy hita tabilao intsony koa tamin’ity taona ity. Tsy nionona tamin’izany ary ireto mpandraharaha ireto fa dia niezaka ny nanao fanadihadiana tsotsotra mihitsy tamin’ireo mpanjifa, sy ny olon-tsotra ka taorian’izany no nahafantarana fa tsy miraika firy amin’ireo haitraitra sy zava-baovao eo amin’ny tontolon’ny serasera sy ny teknolojia intsony ny olona amin’izao fotoana fa variana amin’ny fitadivana sy ny hanin-kohanina isan’andro.

Anisan’ny famantarana iray azo handrefesana tsara ny fahasahiranan’ny olona sy ny fitotongan’ny fahefa-mividiny ity tranga iray ity na tsy dia maro mpandinika aza. Ny mpahay toekarena rahateo dia efa nilaza fa 2 na 3 taona taorian’ny niandohan’ny krizy tahaka ny nitranga teto amintsika vao tena hita any amin’ny isan-tokantrano ny fiantraikany. Mbola maro, araka izany, ireo mpandraharaha amin’ity sehatry ny fanafarana sy fivarotana teknolojia avo lenta ity no maty antoka, satria ny entana voaroba sy very tamin’ny 26 janoary 2009 tsy mbola nahazoana fanampiana araka ny tokony ho izy akory, dia izao tsy mandeha izao indray ny tsena.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT