Fanambin’ny fitondrana nifandimby teto i Madagasikara hahavita tena ara-tsakafo. Tsy nofinofy fa azo tratrarina izany. Ananantsika rahateo ny olona tantsaha 85%-n’ny Malagasy, midadasika ny tany, ananantsika ny toetr’andro, ny rano, ny teknika sy ny fitaovana toy ny “Tavy bata-tany”. Nisy ny resadresaka nifanaovana tamin-dRaharinaivo Juslain, mpamorona azy ity.
Tia Tanindrazana : Inona marina ity “bata-tany” re tato ho ato ity ?
Juslain : Ny bata-tany dia teknika mahazatra ny Malagasy rehefa mamindra zava-maniry izy anefa tsy tiany halazo ilay zava-maniry. Ny olana anefa dia sarotra atao io teknika io raha tsy misy fitaovana hanatanterhana azy ka izay no antony tsy dia ampiasana azy loatra teo aloha. Ry zareo any ampita no mampiasa io teknika io amin’ny famindrana zava-maniry rehetra tanterahany.
Tia Tanindrazana : Vita malagasy moa izany izy ity sa hafarana avy any ivelany ?
Juslain : Ny Tavy Bata-tany izany dia “Vita Malagasy” ahafahana manatanteraka io famindrana ho voly bata-tany io.
Tia Tanindrazana : Natao ho an’ny voly rehetra ve izany sa ho an’ny voly vary ihany ?
Juslain : Ny mampiavaka ny tavy bata-tany vita malagasy dia izy azo ampiasaina amin’ny voly rehetra indrindra ny voly vary satria mora vidy lavitra noho ny vita vahiny izy ity satria miainga amin’ny 1,25 Ariary ny vidiny raha toa ka mahatratra hatramin’ny 150 Ariary ny vita vahiny. Azo ampiasaina amin’ny fambolena hazo koa izy.
Tia Tanindrazana : Natao ho an’ny mpamboly madinika ihany izany izy ity sa … ?
Juslain : Araka ilay voalaza teo dia ny mpamboly rehetra no mila azy, eny fa na dia ireo mpanao zaridaina aza.
Tia Tanindrazana : Inona no tombontsoa azo avy aminy ?
Juslain : Maro ireo tombontsoa azo avy aminy. Ankoatra ny tsy fisiana fahalazoana dia mihena ny fampiasana zezika sy masomboly ary fanafody izay midika fa afaka mampiasa zezika sy masomboly voafantina amin’izay ireo mpamboly, afaka mampiasa ireo teknika manara-penitra toy ny SRI ireo mpamboly, afaka mamafy masomboly amin’ny fotoana rehetra ary indrindra miaro ny tontolo iainana amin’ny tsy fampiasana “sachet plastique”. Araka izany dia mitsitsy nefa ahazoana vokatra betsaka nefa tsara kalitao.
Tia Tanindrazana : Efa nanaovana fampiharana ve izy ity, resy lahatra ve ny tantsaha ?
Juslain : An-jatony hekitara maro no efa nampiasana azy ary maro ireo tantsaha resy lahatra. Mbola maro anefa ny fanatsarana vita ankehitriny ka iantsoana ireo mpampiasa sy ireo namana vaovao tia hampiasa ireo voka-pikarohana vaovao ireo
Tia Tanindrazana : Aiza ny toerana ahitana azy ?
Juslain : Eny Ambatonjara Alasora akaikin’ny By Pass no misy ny orinasa na koa afaka manatona ny gazety ireo liana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.