Manaitra ny sain’ny rehetra ny Banky iraisam-pirenena, tamin’ny alalan’i Jim Yong Kim filohany, fa ho zava-doza ny mety hitranga eto ambonin’ity tany iainantsika ity manomboka amin’ny taona 2060.
Tsy faminaniana na koa tsindrimandry izy ity, fa resaka siantifika vokatry ny fihafanan’ny tany. Araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena mantsy dia hitombo 4°C ny maripana amin’ny faritra rehetra manerantany. Tondra-drano, hain-tany, fiakaran’ny ranomasina, hanoanana, fihanaky ny areti-mifindra, no zava-doza mety hitranga eto, hoy izy ireo, tamin’ny herinandro lasa teo. Handiso tanteraka ny vinavina amin’ny fanatanterahana ireo tetikasam-pampandrosoana any amina firenena maro izany, hoy ihany ilay tatitra ary tena mety hanapotika ny ezaka rehetra natao tato anatin’ny 50 taona mihitsy amin’ny ady amin’ny fahantrana. Mbola azo sorohana anefa ny fitrangan’izany zava-doza, afaka 48 taona izany, hoy ihany ny Banky iraisam-pirenena raha toa ka mandray andraikitra haingana ireo fitondram-panjakana. Tompon’andraikitra amin’ny fanimbana ny tontolo iainana sy ny fihafanan’ny tany mantsy ny olombelona.
Ho an’Atoa Ban Ki Moon, Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana kosa dia mbola manana fotoana tsara hanovana ny fomba famindra sy hametrahana politika hahafahana misoroka ny zava-doza mety hitranga ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Araka io tatitry ny Banky iraisam-pirenena io ihany dia tena ho henjana ny haintany sy ny tsy fahampian-drano any Afrika Atsinanana sy Moyen Orient ary any Azia Atsimo, manomboka amin’ny 2060 raha toa ka tsy misy ny fandraisana andraikitra haingana atao ary dia hanome vahana ny fiparitahan’ny areti-mifindra tahaka ny «malaria» sy ny «dengue» izay tena mandripaka ain’olona maro dia maro tokoa izany.
Mety hitombo isa ihany koa ny mpifindra monina noho io fihafanan’ny tany io satria rehefa tena tsy tanty ny hafanana, tsy misy ny rano fisotro dia tsy maintsy mifindra any amin’ny tany metimety kokoa aminy ny olona. Omaly moa no nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tany Doha ny fivoriana iraisam-pirenena faha-18 momba ny fiovaovan’ny toetr’andro ary dia horesahana ao daholo ny manodidina ity hoe : toetr’andro sy fihafanan’ny tany ity. Ny olombelona ihany moa no manimba ny tontolo iainana, noho ny akora sy etona simika ampiasainy. Fa anisan’ny tena manimba ny tontolo iainana sy miteraka ny fikorontanan’ny toetr’andro koa, ny fanimbana ny ala sy ny resaka doro tanety, tahaka ny misy eto Madagasikara. Efa miendrika apôkalipsa na farandro mihitsy moa ny fomba ilazan’ny Banky iraisam-pirenena ity loza mety hitranga amin’ny 2060 ity, ka tsy hisy ny solifara na afo milatsaka avy any an-danitra, fa ny faharatsian’ny toetr’andro sy ny fihafanan’ny tany miampy ny fiakaran’ny ranomasina no hanapotika tsimoramora izao tontolo izao sy hamono olona eto. Mbola azo sorohana anefa izany raha samy tonga saina hiaro ny tontolo iainana ny rehetra, ary manana fandaharan’asa matotra ho amin’izany ny governemanta rehetra maneran-tany, toy ny MAP (Madagasikara Amperin’Asa) an’i Dada ireny e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.