Hanao hetsika tolotanana entina hanampiana an’i Nônô, ilay mpitendry gitara ao aminy, ny tarika Mahaleo.
Amin’ny alalan’ny fampisehoana tokana no hanatanterahany izany ny 29 mey ho avy izao etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe. Hanomboka amin’ny 10 ora maraina ny fampisehoana izay hosokafan’ity tarika efa fanta-daza iray ity. Ireo artista vonona ny handray anjara no hameno ny fotoana eny anelanelany eny raha ny tarika Mahaleo indray no hamarana izany. 2.000 Ar no vidim-pidirana amin’io. Ankoatra izay dia hisy ny fametrahana vata lehibe hahafahan’ireo terem-panahy manolotra izay foiny entina hitsaboana an’i Nônô. Efa telo volana izao ity farany no tany ivelany nitsabo tena ary aretina mafy tokoa no mahazo azy. Miantso ireo olona rehetra vonona ny hanolo-tanana amin’ny fitsaboana an’i Nônô, araka izany, ny tarika Mahaleo. Azo raisina avokoa izay tolotra omen’ny rehetra na resaka fanatsarana ny feo mandritra ny fampisehoana izany na ny resaka fiambenana ihany koa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.