Actualités

Taribin’ny Jirama nisy nangalatra Amidy mora 3000 ariary ny kilao


  • Talata 19 Jona 2018

Niaina haizina nandritra ny adiny iray ny vahoaka tao Toamasina ny alahady alina. Tapaka noho izany ny ambiansy ho an’ireo mpitia baolina kitra nanaraka ny lalao nihaonan’i Brésil sy Suisse, noho ny halatra tariby mampitambatra an’i Volobe Toamasina II sy Betainaomby Toamasina I amin’ny herinaratra.

Vao nahatsapa ny talen’ny Jirama Toamasina Toto Jean de Dieu fa nisy olana ny tambajotra Volobe – Toamasina I dia avy hatrany niaraka tamin’ny teknisianina izy nijery ifotony ny zava-nisy ny alin’ny alahady ihany, nahafahany nitondra ireo tariby solony avy hatrany ny alatsinainy maraina mba tsy iainan’i Toamasina delestazy intsony noho ny tsy fahampian’ny herinaratra omena ny mpanjifa sy ny vahoaka. Mirefy 120 m eo ity tariby very ity izay mpitondra herinaratra matanjaka 35.000 V. Izay no nilazan’ny talen’ny Jirama fa olona mahay tsara ny resaka herinaratra sy mety efa mpiasa tao amin’ny Jirama ihany ireo andian’olona na olona nahavita izao halatra izao, raha jerena amin’ny fomba nangalarany ireo tariby na herinaratra matanjaka ireo izay vita amin’ny Viraty (aluminium). An-kilan’izay dia fantatra ihany koa fa amidin’ireo mpangalatra 3.000 ariary monja ny kilao, nefa ny Jirama dia mividy azy io avo folo heny amin’izay amin’ny vola vahiny amin’ireo mpamatsy fitaovana azy any ivelany sy eto an-toerana. Manao antso avo amin’ny fiaraha-miasa hatrany ny Jirama ny hifanampy amin’ny fanaraha-maso ny fananam-bahoaka mba tsy hiverina ao Toamasina intsony ny olana eo amin’ny herinaratra.

 


 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT