Raikitra : Anio tolakandro ny hiala an-tanindrazana ireo delegasionin’ny efa-tonta hiatrika ny dinika ho famahana ny krizy any Pretoria Afrika Atsimo. Raha tsy misy ny fiovana dia ny delegasionin’i Andry Rajoelina no hiainga mialoha, any amin’ny roa ora any. Amin’ny fiafaran’ny tolakandro kosa ny ankamaroany no mandeha fiaramanidina iraisana avy any Afrika Atsimo.
Totoafo : Fivoriana totoafo tao Ambohitsorohitra omaly. Re fa misy tsy marisika amin’ny handehanan’i Andry Rajoelina amin’ity fihaonana any Afrika Atsimo ity ireo mpiara-dia aminy.
Tsy vita : Herintaona katroka anio 27 aprily no nisamboran’ny FIS an-dRalitera Andrianandraina, talen’ny fiambenana ny Fitsarana Avo Momba ny Lalampanorenana ao Ambohidahy sy ireo polisy sy miaramila niara-niasa taminy tao. Nalefa tany Tsiafahy izy taorian’ny fitanana azy teny amin’ny CNME Ambohibao nanaovana famotorana. Hatreto tsy vita ny fitsarana, mbola eny Antanimora avokoa ireo voarohirohy tamin’io raharaha io.
Resabe : Efa any Johannesburg hatry ny alahady teo ireo mpahay lalàna anatin’ny ekipa teknikan’ny ankolafy Ravalomanana. Manamafy izy ireo izao vao vory lanona any Afrika Atsimo avokoa ny teknisianina sy ireo hiketrika ny resaka ataon'ny ankolafy any fa tsy misy fifanarahana vita mialoha izany fa resabe aelin’ny Frantsay avokoa no betsaka, hoy ny vaovao avy any. Marihina fa hankalaza ny fetim-pireneny ry zareo Afrikanina Tatsimo amin’ity 27 aprily ity, noho izany tsy misy resaka fihaonana manokana azo eritreretina hitranga anio.
Ala nenina : ala nenina farany amin’ny famahana ny krizy sy ny fananganana ny Repoblika faha-4 ny fihaonana any Pretoria, araka ny hevitr’i Laurent Ramarosaona, mpikambana ao amin’ny birao politikan’ny antoko Asa Vita no Ifampitsarana.
Mampiantrano : Tanterahina eny amin’ny Centre de Conférence International Ivato ny fihaonambe iraisam-pirenen’ireo mpahay momba ny zavamaniry aty Afrika. Tamin’ny 2007 no nangatahan’i Madagasikara hampiantrano ity hetsika ity. Antoka nahazona izany ny fisian’ny «Vina Madagasikara Voajanahary» natoan’ny filoha Marc Ravalomanana.
Tsy nanasonia : mbola nanamafy ihany ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa tsy nanasonia fifanarahana miafina izany izy hatramin’izao.
Fifanazavan-kevitra lehibe : Eny amin’ny kianjan’Alarobia no hifamotoana ny ankolafy Madagasikara ny alarobia ho avy izao. Fifanazavan-kevitra lehibe no hatao eny amin’io andro io, araka ny fanazavana ary handeha mivantana any Afrika Atsimo.
Vatsim-pianarana : Nandrahona ny hidina an-dalambe indray ny mpianatry ny oniversite ao Antsiranana omaly ary nikasa ny handrava ny mpianatry ny lycée tao an-tanàna izy ireo tamin’izany. Resaka vatsim-pianarana tsy ampy ary koa mbola tsy voazara no fototry ny olana. Efa niatrana anefa ny mpitandro ny filaminana ka asa na izay no nampihemotra azy ireo. Ny fantatra dia nohamafisin’ny mpianatra ny barazy mihazo ny oniversite ao Lazaret.
Tsy hitsabaka : Aoka tsy hitsabaka amin’ny raharahan-tokantranon’ny Malagasy ny Frantsay, hoy nyCollectif GTT. Manamora ny asa rehetra raha toa ka mijanona ho mpanara-maso fotsiny i Frantsa.
Fampitaovana : Fampitaovana ara-pitsaboana mitentina 5 hetsy dolara ho an’i Brickaville sy Ranomafana no natolotry ny tetikasa Ambatovy.
Karama : 22 volana izao no tsy nandray karama ireo mpiasan’ny kaominina ambonivohitr’i Morondava. Efa am-bolana maro koa izao no tsy nirehitra ny jiro tao an-toerana.
Tsy miova : Nifoha tamin’ny torimasony ny Fampandrosoana ny Foko Malagasy na FFM tarihin’i Alain Andriamiseza raha nangingina teo ho eo. Nambaran’ny mpitondra teniny fa tsy miova ny tanjona niorenany dia ny fampiombonana ny Malagasy ny FFM.
Nisondro-bidy : nahitana fisondrotany hatrany amin’ny 5% ireo akora ilaina amin’ny fanorenan-trano sy ny asa vaventy eto amintsika , nanomboka tamin’ny herinandro lasa iny. Ny simenitra sy ny vy moa no tena voakasik’izany.
Mampikaikaika : manomboka miha lafo sy mitady tsyho takatry ny ankamaroan’ny tokantrano intsony amin’izao fotoana ny vidin’ny entona fandrehitra fampiasa ao an-tokantrano.
Nangonin’i RTT sy Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.