Actualités

Tapatapany


  • Alatsinainy 26 Aprily 2010


Famahana ny krizy : Rahampitso no hiainga an-tanindrazana hihazo an’i Afrika Atsimo ireo delegasiona avy amin’ny ankolafy efatra hamonjy ny dinika famahana ny krizy efa nitarazoka am-bolana maro eto Madagasikara. Any Pretoria no hanatanterahana ny fihaonana ny 27 ka hatramin’ny 29 aprily 2010, ry zareo Frantsay sy ny Afrikanina Tatsimo no mpanalalana amin’ny fihaonana, ary ny SADC amin’ny alalan’i Joaquim Chissano kosa no mpanelanelana. 

Fanazavana : Nitondra fanazavana ny Tale jeneralin’ny Fandraharahana ny fonja, ny kolonely Ranaivo Andriamaroahiana, manoloana ny resaka mandeha fa gadra avy ao Tsiafahy no mivoaka manao asan-jiolahy. Momba an’i Njaka Commando izay voarohirohy amina fakana an-keriny dia nambrany fa efa nafahan’ny fitsarana ny volana aogositra 2007 ary efa nivoaka ny fonja izy. Mikasika ireo zandary nanakan-dalana tany Beronono kosa dia nahazo fahafahana vonjimaika tamin’ny 29 desambra 2009 izy io, ka tsy anjaran’ny fandraharahana ny fonja no manara-maso azy ireo.
 
«Front pour la sortie de crise» : Teraka ary nampahafantarina ny sabotsy 24 aprily teo teny amin’ny hotely Panorama Andrainarivo ny Fiaraha-mientana ho famoahana ny firenena amin’ny krizy na « Front pour la sortie de crise » ivondronana antoko politika vitsivitsy avy amina firehana samihafa sy fiaraisa-monina sivily. Nandroso vahaolana hivoahana amin’izao krizy izao izy ireo ary koa niantso ny foloalindahy handray andraikitra.
 
Grenady : Nisesisesy ny fahitana grenady apetrak’olon-tsy fantatra amina toerana samihafa teto Antananarivo, toy ny hita teo an-tokotanin’ny zandary eo Fiadanana, teny amoron’ny lakandranon’Andrintany ny sabotsy lasa teo. Tsy nisy nipoaka izy ireo, na izany aza dia mampieritreritra ny maro ny fiparitahan’itony fitaovam-piadiana mahery vaika fampiasan’ny foloalindahy itony.
 
Fonja : Mpandraharahan’ny fonja miisa 200, ahitana vehivavy 39, amin’ny andiany «Vonona» no naseho teo ambany faneva teo Antetezambato Toamasina II ny faran’ny herinandro teo, rehefa avy nahavita ny fiofanana fototra mikasika ny fitaovam-piadiana. Mitsinjara amina sokajy efatra izy ireo ary hiditra amin’ny vontoatin’ny fiofanana mandritra ny herintaona ny ampahany maro, ny sasany miofana mandritra ny 18 volana eo.
 
Mampirisika : Nanatanteraka fikaonan-doha tao amin’ny G&V Inn ao Andrefanabohijanahary ny birao politikan’ny fikambanana politika Matsilo. Mampirisika an’i Andry Rajoelina hiroso amin’ny fifampidinihana ry Ranjivason Jean Théodore. Nambarany fa ny fifampidinihana no hamahana ny olana. Tsy tazana tamin’ity fihaonana ity ny jeneraly Razakarimanana Ferdinand sy Jean Clément, izay filoha mpiara-mitantana ny Matsilo.
 
Zokiolona : Trano fialamboly natokana ho an’ny beantitra miisa 23 no voatsangan’ny Minisiteran’ny mponina sy ny asa sosialy tao anatin’izay herintaona mahery nijoroany tato anatin’izao fahefana avon’ny tetezamita izao.
 
Vavaka : Feno hipoka ny fiangonana Fjkm Mandrosoa Ambohijatovo ny tolakandron’ny sabotsy 24 aprily teo, nitrotro am-bavaka ny mpitandrina Randriamisata Roger sy ny ankohonany amin’ny fisedrana mianjady amin’ity mpitandrina sady mpikambana ao amin’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana ity. Nantsoin’ny zandary hanaovana fanadihadiana mikasika ny savorovoro teny Ambohimamory misy ny fiangonana tandremany ny alatsinainy 19 aprily ka naharatrana zandary mamo roa.
 
Hetsika : Hitohy ao amin’ny Magro Behoririka indray anio ny hetsiky ny ankolafy Madagasikara ho fanamafisan’izy ireo ny fitakiana ny fampiharana ny satan’i Maputo sy ny tovana tany Addis Abeba.
 
Traboina : Fianakaviana am-polony no tsy manan-kialofana ary dia traboina tampoka teo taorian’ny fandravana ny trano fonenan’izy ireo teo anoloan’ny Alliance Française Andavamamba ny sabotsy 24 aprily lasa teo. Nofefen’ny tompony ny tany ary dia voatery nandao ny toerana ireto fianakaviana ireto, izay efa am-polony taona ny ankamaroany no nanorim-ponenana teo.
 
Tsy fandriampahalemana : Midina ambanivohitra indray ankehitriny ireo mpanani-bohitra. Amin’iny Ankadivoribe, Soalandy, Beravina, Ankorondrano Atsimondrano iny indray izy ireo no manafika tokantrano ary manao andiany amin’izany. Manomboka amin’ny folo ora alina izy ireo dia efa manafika, ny eny an-toerana rahateo tsy misy jiro manazava ny arabe.
 
Fakana ny lapa : Tsy mbola fantatra hatreto ny fotoana handehanan’ity raharaha ity eo anivon’ny fitsarana ilay raharaha fakana ny lapan’i Mahazoarivo.
 
Mampanahy : Ny 80%-n’ireo vehivavy any Atsimo dia miteraka any an-trano avokoa ary mampanahy be ihany ny fiterahan’izy ireo.
 
Sahy : Tsy manaiky ny mpanongam-panjakana hitondra ny firenena ny Komity miaro ny ara-dalàna Talatamaty ka miantso ny vahoaka ho sahy haneho hevitra.
 
 
Nangonin’i Jean D. sy Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT