Actualités

TapaTapany


  • Zoma 23 Aprily 2010


Tsy hanatrika: Sonia sisa no tokony hatao any Johannesburg, ary raha tsy mazava ny zavatra hodinihana any dia tsy hanatrika izany i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT. Tsy hifandresy lahatra intsony, fa efa nisy karazana fifanaraham-piaraha-miasa nomen’ny masoivoho frantsay. Tsy mifanaraka amin’ny resaka natao tamin’ny Frantsay sy ry zareo tao Afrika atsimo ny fanasana nalefan’ingahy Chissano, araka ny fanazavana ihany. 

Fisamborana : Mitohy ny fisamborana ireo olona voarohirohy amin’ny fikasana hanongam-panjakana nitranga ny alahady 18 aprily 2010 teo. Omaly dia nalain’ny zandary tao Toamasina ary nentina nihazo an’Antananarivo ny lefitry ny Talen’ny fiarovana ny filoha teo aloha, izay kolonely efa misotro ronono tamin’ny volana martsa 2009, ary miasa eo anivon’ny orinasa Sheritt any Toamasina efa ho roa volana izao. Izy no tompon’ny basy poleta tratra tamin’ilay sivily tompon-trano teny Ambohijanaka, izay zanaka anabaviny ihany. Basy nampirinina efa hatramin’ny taon-dasa nentin’ny tahotra amin’ny fisavana trano.
 
Mikaroka vahaolana : Tsy maintsy mikaroka vahaolana eto Madagasikara isika. Tsy ekena ny fiverenana amin’ny fomba ratsy fanao, hoy Andry Rasolofo mpikambana ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita avy amin’ny antoko Fihavanantsika. Tsy tokony ho ny ady seza no alefa mialoha fa ny hitadiavana vahaolana.
 
Ho foana : Tsy haharitra eo amin’ny toerany ny CENI, hoy ny ankolafy Ravalomanana satria tsy niraisan’ny rehetra ny nananganana azy. Ho foana atsy ho atsy ny CENI, araka ny fanazavan’i Jean Louis Rakotoamboa satria tsy nisy marimaritra niraisana. Ireo mpikambana ao amin’ny CENI ankehitriny dia olona nanampy tamin’ny fanonganam-panjakana, hoy ihany i Rakotoamboa.
 
Fifidianana : Tsy handray anjara amin’izay karazam-pifidianana hataon’ny FAT eo ny Teza sy ny ankolafy Ravalomanana. Takiana mialoha ny zavatra rehetra ny fametrahana ny fifanarahan’i Maputo sy Addis Abeba, isiana adihevitra an-kitsim-po nefa tsy misorona. Tsy ahafahana miroso amin’ny fifidianana ny zava-misy ankehitriny satria mbola eo ny fisamborana sy ny tsy fahafaha-miteny.
 
Manohitra : Hifamory ao Antsahamanitra anio tolakandro ireo fikambanana mpanao fanatanjahantena miisa efatra ao Antsahamanitra. Manohitra ny fivarotana ny tanin’ny fiombonan’ny Fiangonana protestanta amin’ny sivily izy ireo. Tamin’ny taona 1995 no nisian’io fivarotana io, ary ankehitriny dia mamefy ny toerana ny tompon’ny tany. Toerana izay fanaovan’ny tanora fanatanjahantena.
 
Hetsika goavana : Etsy amin’ny kianjan’ny finoana, Behoririka no hifamotoana ny ankolafy Madagasikara amin’ity anio ity. Rahampitso sabotsy kosa, raha ny fantatra dia hanao hetsika goavana manokana izy ireo.
 
Volamena : 80 kilao monja no nampilazana tamin’ny fanjakana fa volamena nivoaka avy teto Madagasikara tamin’ny taona 2009. Raha ny fantatra anefa dia volamena tsy latsaky ny 15 kilao no mivoaka isan-kerinandro amin’ny fitrandrahana.
 
Nizaha ifotony : Nidina nizaha ifotony ny fizotry ny asa fanarenana ny Lapan’ny Tanàna ao Analakely i Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, omaly tolakandro. Anisan’ny fandaharan’asan’i Andry Rajoelina fony izy kandida ho fidiana Ben’ny tanàna ny fanavaoazana ny foto-drafitrasa ity. 17 mey 2008 no nalatsaka ny vatofehizoron’ny asa. An-dalam-pahavitana ny Lapan’ny Tanàna ankehitriny ary heverina hotokanana alohan’ny 26 jona.
 
Niletsy : Asiam-panamboarana nanomboka omaly ny tetezan’i Mahavavy any Ambilobe. Niletsy ny fototry ny tetezana vokatry ny fikaohan’ny rano ny fanambaniny amin’ny fakana fasika. Vokany, dia voatery mifindra fiara ny mpandeha mampiasa iny lalam-pirenena faha-6 mihazo an’Antsiranana na ny avy any Antsiranana mihazo an’Ambanja.
 
Tsy mianatra : Roa herinandro izao ny mpianatry ny oniversiten’Antsiranana no tsy nianatra. Resaka vatsim-pianarana, ny tsy fahampiam-bola handoavana izany no marimarina kokoa no fototry ny olana. Anio no saika hizarana ny ampahany voalohany amin’io vatsim-pianarana io saingy toa nahemotra amin’ny ora farany izany.
 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT