Fihaonana fahatelo : Hitohy anio ao amin’ny tranoben’ny ORTM Anosy ny fihaonana fahatelo eo amin’ny Minisiteran’ny serasera amin’ireo talen’ny famoahana gazety andinihana indrindra ny amin’ny lalàna hifehy ny fifandraisana, ny sata hifehy ny fomba fitrandrahana vaovao mandritra ny fifidianana ary ny amin’ny holafitry ny mpanao gazety.
Fifamelana : Anio no hotanterahana eny Mandriambero Ambohidratrimo ny fampihavanana sy fifamelana eo amin’ireo ankolafy efatra izay samy hanana solontena fito avy. Ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana moa no tompon-kevitra tamin’izany.
Fitoriana : Nitory ny Tiko eny amin’ny fitsarana ny minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, momba ny tany any Toamasina izay nambara fa tsy nahazoana ny vola hofany hatramin’izao.
Mamohehatra : Fihetsika mamohehatra sady mampalahelo no nambaran’ny minisitry ny fitsarana Razanamahasoa Christine momba ny fanipazana « grenady » nihatra tamin’ny trano fonenany ny talata tokony ho tamin’ny 9 ora alina. Tsy nisy ny faharatrana na aina nafoy fa entana vitsy sy ny fitaratry ny varavarankely no vaky noho ny hamafin’ny fipoahana, hoy izy. Efa nisokatra ny fanadihadiana raha ny nambarany ihany.
Tsy nisakana : Natolotra ny CENI na Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana omaly ireo fitaovana rehetra nampiasain’ny CNE nanatanterahana ny asany mikasika ny raharaham-pifidianana, toy ny fiara. Tsy nisakana ny fanatanterahana izany ny Vondrona eoropeanina izay mpiara-miombon’antoka amin’ny CNE. Miandry ny fankatoavana iraisam-pirenena ankehitriny ny CENI, hoy ny filohany Rakotomanana Heriniaina.
Mailhol : Tsy tokony hifampiresaka amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izay efa nomelohan’ny fitsarana ny filohan’ny HAT Andry Rajoelina araka ny fanambaran’ny pasitera Mailhol. Efa nanambara ny filohan’ny HAT fa tsy hifampiraharaha amin’ny filoha teo aloha, ka tokony hitana ny teny nomeny izy, hoy ity pasiteran’ny apokalipsy ity.
Fifidianana : Ny fanatanterahana fifidianana izay ahafahan’ny rehetra mandray anjara ihany no vahaolana amin’ny krizy, araka ny hevitr’i Masimana Manantsoa, minisitry ny atitany teo alohan’i Manorohanta Cécile no sady mpikambana eo anivon’ny antoko Monima.
Mody : Marc Ravalomanana mody an-tanindrazana ka afaka hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena, izay ihany no tadiavinay, araka ny hevitry ny Tanora Marc Ravalomanana
Tsy mino : Tsy mino hoe hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy ny fihaonana any Afrika atsimo i Monja Roindefo. Hiatrika fihaonam-paritra momba ny fampandrosoana kosa ny Monima ato ato, araka ny fanazavana ihany.
Grenady : Tsy misy sivily manana ireny karazam-pitaovam-piadiana ireny, hoy ny Alliance Démocratique manoloana ny grenady nipoaka tao amin’ny tranon’ny minisitry ny fitsarana eo anivon’ny governemantan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita.
Vahaolana : Tsy ilaina ny fankanesana any ivelany hitadiavam-bahaolana fa tokony ho eto an-tanindrazana ihany miainga amin’ireo vokatry ny fihaonana isan-karazany, hoy ny fanehoan-kevitry ny KMDT (Komity miaro ny demokrasia sy ny tetezamita) tarihin’i Marcellin Razanakoto
Nadine R : Nitsidika ny tany Anjozorobe omaly ny minisitry ny mponina Nadine Ramaroson ary nandray anjara tamin’ny fambolena tsaramaso tamina velaran-tany 50 ha
Fihaonana : Tsy tokony hampiroaroa saina ny olona ny fanemorana ny daty hihaonana any Afrika Atsimo, hoy ny Antoko Fanarenana
Hitory : Hitory ireo tonga nandroba sy nandrava tao an-tokantranon’ny jeneraly Raoelina ny fianakaviany. Halatra sy fitsofohana an-trano tsy nahazoana alalana no fototry ny fiampangana.
Marovatana : nanolotra vola roa tapitrisa ariary hanamboarana ny kianja ara-panatanjahantena eny Mahitsy ny praiminisitra teo aloha Monja Roindefo nandritra ny fiditsihany tamin’iny faritra Marovatana iny omaly.
Fanadiovana : Nanao fanadiovana faobe ny faritra hanaovan’ny mpanala fanadinana ny adina ara-panatanjahantena ny fianakaviamben’ny fampianarana notarihin’ny fari-piadidiam-pampianarana ao Ambositra ny talata teo. Nifanome tanana tamin’izany ny sampandraharam-panjakana ao an-toerana sy ny vondrombahoakam-paritra.
Nangonin’i Soa sy RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.