Actualités

Tapatapany


  • Alakamisy 30 Desambra 2010


CENI : Miandry ny famoahan’ny governemanta ny didy fampiharana ilay fiantsoana ny mpifidy handrotsa-bato amin’ny 16 martsa vao hanohy ny asany ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana. Na izany aza anefa dia efa nisy ihany ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana araka ny ambaran’ny lalàna manan-kery eto amintsika. 

Janoary : Mandritra ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny CT sy ny CST amin’ny volana janoary no hahafantarana raha ahemotra na tsia ny datin’ny 16 martsa hanatanterahana ny fifidianana solombavambahoaka. Fantatra fa efa misy amin’ireo Parlemantera no handroso fehin-kevitra mangataka ny fampihemorana io daty io, fa miankina amin’ny fanapahan-kevitry ny maro an’isa ao amin’ny Parlemanta ihany ny fanapahan-kevitra rehetra.
 
Vyvato : Ireo mpikambana ao amin’ny TIM manaiky an-dRaharinaivo ho filohan’ny antoko ihany no afaka miditra ao amin’ny Parlemantan’ny tetezamita araka ny nambaran’Atoa Vyvato Rakotovao.
 
Toetr’andro : Ho maina ny andro ary hibaliaka ny masoandro ny andron’ny 31 desambra sy ny 1 janoary, araka ny vinavinan’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetry ny andro. Hisy orana tandrifin-drahona kosa anefa any amin’ny tapany atsimo andrefan’ny nosy.
 
Miala : Raha voatazona ihany ny datin’ny 16 martsa dia tokony hametra-pialana afaka iray volana sy tapany ireo ministra manam-paniriana ny hofidiana depiote.
 
Tsy ampy : Nambaran’ny Jirama fa ny fampiasan’ireo mpanjia fitaovana matanjaka be loatra no mahatonga ny herinaratra tapatapaka amin’ny faritra maro eto an-drenivohitra. Tsy maharaka ny filana matetika ny herinaratra vokarin’ny Jirama koa dia izay no mahatapaka lava ny jiro.
 
Ankatso : Nanomboka ny talata lasa teo ary hifarana rahampitso zoma 31 desambra ny fizarana ny vatsimpianarana eny amin’ny oniversiten’Ankatso.
 
Vary : Efa eo am-pandinihana ny paik’ady tsy hampiakarana intsony ny vidim-bary eny an-tsena ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana. Taorian’ny nahatsapana fa nihazakazaka izany fidangan’ny vidim-piainana no nahatonga izany.
 
Mila ho ankilabao : Mpitantana tranomboky miisa 20 avy amina EPP miisa 11 no manaraka fiofanana nandritra ny roa andro, ny 27 sy 28 desambra 2010 tany Maroantsetra. Io dia tafiditra anatin’ny Fandaharan’asa iarahan’ny ministeran’ny fampianarana sy ny Unicef. Natao izao noho ny fahatsapana fa mitady ho ankilabao ny tranomboky sy ny vaky boky.
 
Fiomanana : Herinandro anaty fety ny ao Ambatofinandrahana. Lalao ara-panatanjahantena, kolontsaina sy fialamboly samihafa no miseho any an-toerana hatramin’ny noely ary hitohy amin’izao faran’ny taona izao. Izany dia ho fanomana sahady ny Volambetohaka 2011 hampiantranoan’ity distrika ity, hoy ny any an-toerana.
 
Fanentanana : Roso amin’ny fanentanana handoa hetra ny ao amin’ny Kaominina Sakaraha, indrindra ireo olona mampiasa ny tranon’ny Kaominina. Araka ny fantatra dia betsaka no tsy mandoa hetra, miafina ao anatin’ny tsy fananana noho ny krizy.
 
Valim-babena : Nahatsiaro manokana ireo beantitra ao amin’ny Fokontany Tsiadana, Boriborintany faharoa ny ministry ny toekarena, Fienena Richard, ka nanolotra omby iray sy zavatra hafa, ho nofonkena mitam-pihavanana. Amin’ny maha zanaky ny Fokontany sy maintimolalin’ny EPP Ampasanimalo azy no nanaovany izao asa sosialy izao, ho valim-babena.
 
Lanonana : Natao tao Moramanga omaly alarobia 29 desambra ny lanonana fankalazana amin’ny fidiranana amin’ny Repoblika IV niaraka tamin’ny Faritra Alaotra Mangoro. Tamin’io andro io koa no nisaorana ny vahoaka ao an-toerana tamin’ny fifidianana fitsapan-kevi-bahoaka natao ny 17 novambra 2010 sy nampahafantarana ireo zanaky ny Faritra indrindra ireo avy ao Mangoro mpikambana amin’ny Parlemanta.
 
Fitsaboana sima : Hisy fandidiana fanakambanana ny molotra sima hatao ao Mahajanga amin’ny volana janoary ho avy io. Ao amin’ny hopitaly Androva ny andiany voalohany ny 10 ka hatramin’ny 15 janoary, ao amin’ny hopitaly loterana ao Antanimalandy ny andiany faharoa ny 17 ka hatramin’ny 22 janoary. Maimaimpoana ny fitsaboana, ny sakafo no iantohan’ny marary. Ekipa mpandidy avy any Kenya no hifarimbona hanatanteraka izany.
 
Marisarisa : Marisarisa ny fandriampahalemana eny Ankadivoribe atsimondrano sy manodidina eny amin’izao fotoana. Saika isak’alina mantsy dia ahitana vaky trano na zavatra very hatrany eny an-toerana. Vao tsy ela akory teny Ambodifano dia olona hanorin-trano no notafihin’ireo jiolahy, ary izy ireo mihitsy no niteny hoe aiza ilay vola hanaovan-trano ? ankoatra izay dia nalainy teny an-tanan’ny tompon-trano mihitsy ny peratra volamena.
 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT