Actualités

Tapaka ny tetezana, potika ny lalana Mitoka-monina tanteraka Ambatondrazaka


  • Alarobia 18 Febroary 2015

Lasa toy ireny tanàna lavitra andriana ireny Ambatondrazaka noho ny fahatapahan-dalana tao amin’ny tanàna Manakambola sy ny fahasimbana ny tetezana tao Sahabe. Ireo takelaby amin’ny tetezana mihitsy no nisy nanongotra ka tsy afaka miampita ireo fiara avy any amin’ny distrikan’ Amparafaravola sy Ambatondrazaka.

 

 Tsy afaka nifamezivezy nandritra ny 24 ora arak’izany ny mponina tany Alaotra noho izay fahatapahana teo amin’ny tetezana Sahabe izay. Manampy trotraka izany koa ny fotaka nandrevo tao Manakambola ka nampihitsoka ny fiara rehetra teo amin’io toerana io. Nifanindran-dalana tamin’izany ny fitokonana natao ny mpitatitra zotra nasionaly ka nahatsiaro ho sahirana ny valalabemandry. Nampiakatra tampoka ny vidin-javatra io fahatapahana ny tetezana sy ny lalana io. Saika tapaka hatramin’ny famatsiana herin’aratra ny jirama tao Ambatondrazaka omaly raha tsy nisy ny fifanomezan-tanana teo amin’ny orinasa Jirama sy ny tao amin’ny fiadidiana ny tanànan’ Ambatondrazaka. Mety mbola hitohy ny fitokana-monina ny renivohitra Ambatondrazaka raha tsy misy ny fandraisana andraikitra atao ny fitondrana foibe.


Simba tanteraka

Simba tanteraka ankehitriny ny lalàm-pirenena faha-44 mampitohy an’i Moramanga sy Ambatondrazaka. Ankoatra ireo fiarakodia avy amin’ireo kaoperativa mpitatitra olona dia mameno iny lalàna iny isan’andro ireo fiarabe marika «renault»manodidina ny 100 laharana WWT efa nivadika ho TBD mpitatitra kraoma any an-toerana mihazo an’i Toamasina tao anatin’ny iray volana izao; ambaran’ny olona any an-toerana fa ireto fiarabe mitatitra Kraoma ireto no tena manimba ny lalam-pirenena faha 44. Lasa mihafihafy mihitsy ireo taksibrosy mampiasa io lalàna io, araka ny fampitam-baovao voaray. Tetezan-kazo am-polony mahery no hita amin’ny RN 44 ary efa nitera-doza ny sasany tamin’izy ireo noho ny vesatra mihoatra ny lanja voafetran’ny lalàna, araka ny fanampim-baovao nomen’ireo nahita-maso ny zava-misy. Nitokona nanomboka ny alatsinainy teo moa ireo kaoperativa fitateram-bahoaka nasionaly sy rezionaly any an-toerana ho fanoherana ny fahapotehan’ny foto-drafitra ao anatin’ny faritra Alaotra Mangoro sy ho fanairana ny fanjakana mba hanamboatra iny lalam-pirenena iny. 


 

Niry A/Ramano F

                                                                              

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT