Actualités

Taorian’ny raharaha BANI Misedra olana ny tafika malagasy


  • Alakamisy 23 Desambra 2010

Zavatra iray loha mbola mitana ny sain’ny maro ny nitranga teny amin’ny BANI Ivato ny 17 ka hatramin’ny 20 novambra 2010 sy ny manodidina azy. Raharaha izay tsy mbola mikatona rahateo, fa mbola mandeha eny amin’ny fitsarana.

Ny amin’ireo zavatra tsy dia noresahina loatra na noresahina fa nosafosafoina fotsiny ihany no hasian-teny kely. Ny zavatra nisy dia miaramila nifanandrina tamin’ny taona 2002, 2009 ary 2010 no tafavory an-toerana iray. Manamboninahitra 16 lahy no lohalisitra, nisy manamboninahitra lefitra ihany koa, ary nisafidy ny Toby BANI izy ireo nivondronana. Na tsy notatatataina teny ambovonana aza dia miharihary fa nifamitram-pihavanana ireto miaramila nifanandrina sy nifandrafy taloha ireto. Azo antoka fa tsy an-tendromolotra ny azy ireo fa matotra matoa tsy nijanona teo fa tonga hatrany amin’ny fampijoroana ny Komity Miaramila ho Fanavotam-pirenena (KMF).

Tsy zava-baovao io fifamelana sy famintranam-pihavanana eo amin’ny samy tafika io fa efa nanaovana fihaonambe tao amin’ny Centre de Conférences International Ivato mihitsy ny 27 sy 28 mey 2009, saingy toa lazamasaka fotsiny no niafarany fa tsy niainana akory. Tsapan’iretsy manamboninahitra vory teny amin’ny BANI iretsy anefa ny maha zava-dehibe io famintranam-pihavanana io hamerenana ny hasin’ny tafika sy ny foloalindahy amin’ny ankapobeny mihitsy, saingy rehefa raikitra izany dia nitsivalana ary nisy nampiaka-peo aza ireo manamboninahitra lehiben’ny Rezimanta misy eto Antananarivo. Ary tonga hatramin’ny hoe : tsy hiara-hiasa amin’ny KMF, taorian’ny miaka-midina tao Ambohitsorohitra. Ny heno anefa dia toa nahazo ny tsodranon’ny Lehiben’ny Etamazaoro ny fananganana ilay Komity, ary nisy fanambarana tokony ho nataony taorian’ny fanambarana nataon’ny KMF.

Ny fanontaniana mipetraka àry eto dia ny hoe fa miaramila inona sa an’iza aza ireto manamboninahitra ireto no tsy miara-mamindra amin’iretsy KMF, raha zohiana amin’ilay lojikan’ny fifampihavanana ? Ny nahazendana ny maro tamin’iny raharaha ihany koa dia toa tsy manan-kalahatra ary nijery fotsiny ireto manamboninahitra mpifehy ny tafika eto Antananarivo ireto, raha nanafika ny KMF tao amin’ny Toby BANI ny FIS ny sabotsy 20 desambra 2010, tamin’ny fihetsika mahery setra, niampy fitifirana sy fandrobana natao tamin’ny fiara rehetra izay nijanona teo anoloan’ny toerana nivoriana, manginy fotsiny ny fanambaniana ireo galona maha miaramila, izay taratra tamin’ny namparatra ireo manamboninahitra sasany tao amin’ny Komity. Mampametra-panontaniana ihany ny fanajana ny rafi-pifehezana miaramila eo anatrehan’ny toe-javatra toy izany, ary iza marina no mibaiko an’iza eto ? Samia mandinika !
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT