Hanatanteraka ny Alahamady na fankalazana ny Taombaovao Malagasy 2012 eny Anosimanjaka ny fikambanana Zanadranavalona, ny 18 sy 19 aogositra izao.
Tahaka ny isan-taona dia manasa an’ireo Ampanjaka sy Mpanjaka avy any anindran-tany sy ireo Andriana avy eto afovoan-tany ry zareo. Tahaka izany koa ny mpitondra fanjakana sy ny mpanohitra azy sy ny mpanao politika isan-tsokajiny ary tsy adino koa ireo vahoaka tsy mandady harona. Tsy fananarana no hataonay an’ireo mpanao politika ireo eny an-toerana, hoy ny Andriana Ravelonarivo Alain Eddie Louis, filohan’ny Zanadranavalona, fa hampahatsiahy sy hampita amin’izy ireo fotsiny ny fomba amam-pahendrena Malagasy izay miorina amin’ny fifankatiavana sy fifamelana izay voizina, indrindra ao anatin’ny fankalazana ny Alahamady.
Tsy isika Malagasy indray no hampianarin’ny vahiny ny fifankatiavana, hoy izy, izay zavatra tena mahamenatra. Ny afo, ny rano ary ny rivotra no fidiovana amin’ny lanonana tahaka itony ka ny faha-17 aogositra takariva dia efa hisy ny arendrina hitondrana afo hanadiovana ny tanàna. Ny 18 aogositra dia hatao ny fandroana amin’ny rano, ny famonoana omby fitsofandrano, totorebika sy fiaraha-misakafo ary fizarana hena manitra. Ny 19 aogositra moa dia hiragasy no hamaranana ity Alahamady ity, mbola eny Anosimanjaka ihany.
Mifanandrify amin’ny fankalazana ny faha-50 taona niorenan’ny fikambanan’ny Zanadranavalona koa ity hetsika ity. Marihina fa efa ho 200 taona izao no nanamarihana ity Alahamady ity ary tsy tapaka mihitsy na tamin’ny andron’ny fanjanahantany teto amintsika aza. Notsiahivin’ny Andriana Ravelonarivo fa miovaova isan-taona fa tsy amin’ny daty raikitra ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy satria tsy ampy 30 andro ny volana Malagasy fa 29 sy tapany eo raha be indrindra noho isika manisa izany volana izany amin’ny alalan’ny fihodinan’ny volana amin’ny tany na dia 12 volana tahaka ny fanisan’andro gregoriana ihany aza ny antsika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.