Araka ny tatitra farany navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena dia fantatra fa niampy 5 hetsy indray ny zaza Malagasy sy miditra an-tsekoly intsony.
Izany moa dia noho ny krizy, tsy manam-bola ny ray aman-dreny hampianarana ny zanany. Misy koa ireo ankizy voatery miasa mba hamelomany ny tenany sy hanampiany ireo ray aman-dreniny. Ny any ambanivohitra metetika no tena voakasik’izy ity, fa na izany aza dia misimisy ihany koa ireo ankizy, amin’ny tanàn-dehibe toa mirenireny fotsiny. Ny sasany lasa mpangataka, ao kosa ireo lasa mpanao sinto-mahery sy mpanendaka. Na dia teo aza moa ny fitohizan’ny famatsiam-bola amin’ny lafiny ara-tsosialy dia hita fa tsy ampy izany noho ny fitarazohan’ny krizy sy ny tsy fisian’ny tena famatsiam-bola goavana.
Mbola io tatitry ny Banky Iraisam-pirenena io ihany no manambara fa olana goavana eto Madagasikara ny tsy fanjarian-tsakafo satria nitombo hatrany amin’ny 50% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra sasany. Mazava ho azy fa dia misy ifandraisany amin’ny krizy sy ny fahatapahan’ny famatsiam-bolan’ireo tetikasa maro samihafa no mahatonga izany rehetra izany. Azo itarafana sahady ny fitomboan’ny fahantrana eto amintsika, ireo tarehimarika ireo ary hahatsapana fa telo taona aty aoriana vao tena miantraika mafy any amin’ny isam-pianakaviana sy ny isam-batan’olona amin’izay ny krizy. Ary tsy ho vetivety tahaka ny fanorenana ireo kianja sy hopitaly manara-penitra etsy sy eroa ny fanorenana indray izao firenena izao, miainga amin’ny fanavotana ny isam-batan’olona sy fanomezana azy ny farafahakeliny tsy maintsy ilainy isan’andro, aloha. Farany dia tsara ho marihana fa ny 77%-n’ny Malagasy ankehitriny no miaina amin’ny vola latsaky ny 1 dolara isan’andro, izany hoe zara raha mahita hanin-kohanina amin’iny andro iray iny, mbola ankamantatra ny rahampitso.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.