Actualités

Tao am-piandrasam-paty Saika rafitra ny ady noho ny resaka FIGN


  • Talata 01 Febroary 2011

Raiki-tampisaka ao anatin’ny manamboninahitra zandary sasany amin’izao fotoana izao ilay resaka teny amin’ny FIGN ny volana mey 2010. Nisy ny fifamaliana afak’omaly alina nandritra ny fiandrasam-paty ny jeneraly Ravelomanana Claude.

Manamboninahitra zandary no tsy nitovy hevitra mikasika iny raharaha iny ary vaky bantsilana izany tamin’io fotoana io. Ny anton’izay, araka ny fantatra, dia anisan’ireo tsy nanaiky ny hampiasana hery teny Fort-Duchesne ity jeneraly nodimandry ity izay Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena tamin’ireny fotoana ireny. Tsy izy irery anefa fa na ny Komandin’ny zandary ihany koa, ny jeneraly Razafindrakoto Bruno dia nitovy hevitra taminy satria hialana amin’ny fifamonoan’ny samy zandary no antony. Nisy ihany anefa ny fifandonana teo main’ny Emmo-Reg niaraka tamin’ny FIS tamin’io fotoana io.

Ny Komandin’ny zandary moa dia voatery nandeha tany Frantsa mihitsy ny alin’ny 19 mey rehefa nahalala fa hiroso ary tsy hanaiky ny Emmo-Reg ny ampitso. Tsy te ho tompon’andraikitra amin’izay zava-mitranga angamba ny tenany ka dia naleony niala teto an-toerana. Saika niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana mihitsy ny resaka afak’omaly tany amin’ny fahoriana. Nisy ihany anefa ireo manamboninahitra no nanakana izany. Niafara tamin’ny fanaovana vava moa izany ka tonga hatramin’ny hoe mbola hihodina ny tantara.

Na tiana na tsy tiana dia misy fiantraikany eo amin’ny miaramila, indrindra ireo manamboninahitra ny fanagadrana ny naman’izy ireo izay am-polony maro eny Tsiafahy sy Antanimora amin’izao fotoana izao. Ny an’ny miaramila mantsy dia aleon’izy ireo mamoy ny rahalahiny mpiray tampo aminy toy izay mamoy ireny andiany iray mihira aminy ireny. Anisan’ny niteraka tsy fifankahazoana sy alahelo teo amin’ny miaramila sy ny mpitondra teo aloha io resaka fanagadrana io ka niverina indray izy amin’izao fotoana izao ary niha nitombo aza ireo miaramila naiditra am-ponja.

 Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT