Actualités

Tany nototofana eny Andohatapenaka Tsy misy mpikitika, mety homena ny vahiny ?


  • Alakamisy 30 Desambra 2010

Mipetra-potsiny ary ataon’ny olona fanaovam-baolina sy fianarana mitondra fiara ilay tany malakaka be nototofana eny Andohatapenaka. Tsy misy mpikitika tahaka izany ihany koa fa dia lasa tanàna haolo ny toerana misy ny labatoaran’Antananarivo teo aloha.

Tetikasa roa goavana no saika notanterahan’ny fitondrana Ravalomanana tamin’ny alalan’ilay 3P na fiaraha-miombon’antoky ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina tamin’ireo toerana roa ireo samy eny amin’ny «route digue» ireo. Dia teo aloha ny fanorenana Provenderie goavana, hanampiana ny mpiompy eto Madagasikara, sy ny fananganana labatoara iray goavana sy manara-penitra noho ny fahitana fa maloto sady tsy manara-penitra mihitsy ny ankamaroan’ny toerana famonoan’omby sy kisoa eto amintsika, ka mety hitarika aretina ho an’ny mpihinana azy izany, ary mahatonga ny hena avy eto amintsika ihany koa tsy azo aondrana any ivelany. Rehefa miroborobo anefa ny fiompiana ireo biby fihinan-kena tahaka ny omby sy ny kisoa, izay tao anatin’ny fandaharan’asa voasoratra tao amin’ny MAP dia afaka manondrana hena any ivelany isika, rehefa mahafeno ny fepetra rehetra takiana, ka anisan’izany ny fananana labatoara manara-penitra.

Dia nijanona ho fandaharan’asa fotsiny tokoa izany rehetra izany, rehefa nirodana ny fanjakana Ravalomanana, ary hatramin’izao aloha, araka ny fantatra dia tsy mbola manana tetikasa mitovy amin’izany, na eritreritra ny hamelona io tetikasa eny amin’ny «route digue» io mihitsy ny fitondrana tetezamita. Mety hiteny izy fa tsy anjaran’ny tetezamita izany, fa ny manao toerana fanaovana fampisehoana, dobo filomanosana ary kianja sentetika … no ataony.

Raha ny tena marina anefa dia tsy rendrarendra fa anisan’ny tena laharam-pahamehana ho antsika eto Madagasikara izany fitsanganana orinasa goavana mpanamboatra sakafom-biby izany, satria maro be ny mpiompy eto, ary tsy vitsy ny manam-paniriana hanao fiompiana goavana. Eo amin’ilay resaka labatoara kosa indray dia toerana tokana, dia ny eny Ankadindratombo no azo ambara fa mba azo ihafiana eto Antananarivo fa ny sisan’izay dia tsy azo antoka avokoa ny toerana famonoan’omby sy kisoa, kanefa amidy isan’andro eny amin’ny tsena ireo. Ny manahirana ny saina fotsiny dia raha sanatria ka nopotehana fotsiny ny fananan’ny mpandraharaha Malagasy tamin’ireny fotoana ireny, kanefa vahiny indray no mety hiliba amin’ireo toerana ireo atsy ho atsy, araka ny tsiliantsofina re tetsy sy teroa.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT