Mahazo hery tanteraka ny Karana sy ny vahiny, indrindra ny Frantsay amin’izao fotoana izao eto amin’ny firenena. Ny eto an-drenivohitra manokana dia efa niaraha-nahita ny zava-misy teny amin’ny lalana mankany Soavina Atsimondrano.
Teratany Frantsay iray no mibahana ny lalana. Ministra telo avy amin’ny FAT no nifanidmby tonga teny an-toerana vao nilamindamin-dratsy ny raharaha saingy mbola eny amin’ny fitsarana amin’izao fotoana izao ity raharaha ity. Ankoatra an’io dia vao afak’omaly ihany koa ny fandrodanana ireo trano roapolo mahery teny Ambodivona. Araka ny fantatra ihany koa dia Karana iray manana fivarotana lehibe iray eny Mahavoky no nahazo ilay tany ka tamin’ny alalan’ny miaramila maro no nandrodanana ireo trano. Ny eny Androndrakely ihany koa dia misesisesy ny fanotorana tany. Rehefa natao ny fanadihadiahana dia Karana sy teratany frantsay manambady gasy no tompon’ireo tany ireo. Ny eny amin’ny Digue dia mbola ny Karana ihany koa no tompony.
Re koa aza fa mbola nomena ny Karana ihany koa ny fitantanana orinasan’ny Pds Edgard Razafindravahy, ny Mouf’Rey, izay lasa Crousti-Pain. Ny fianakaviana Hiridjee moa no fantatra fa nahazo ity “location-gérance” ity. Ankoatra izay dia efa nilaza ihany koa ny filohan’ny FAT fa afaka manao “Résidence des Résidents” ny vahiny manomboka izao eto Madagasikara. Izany rehetra izany dia milaza fa mivarotra ny tany amin’ny vahiny ny FAT amin’izao fotoana izao mba ahafahana mahazo vola. Ny “Résidence des Résidents” moa dia betsaka ireo manakiana izany satria ahiana ho lasa fanjakana kely ao anaty fanjakana mihitsy izany raha tanteraka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.