Feno traboina avokoa ireo sekoly ambaratonga fototra rehetra ao amin’ny kaominina Tanjombato, distrikan’Atsimondrano.
Noho ny fiakaran’ny reniranon’i Sisaony izay mandalo ao an-toerana no mahatonga izany hatramin’ny niavian’ny rotsak’orana tsy niato teto an-drenivohitra. Vokany, tafakatra 2.033 ireo traboina ao an-toerana ahitana zaza latsaky ny dimy taona manodidina ny 357 isa, reny mampinono 55 isa ary vehivavy bevohoka miisa 18. Tsy anio alarobia akory, araka izany, no hiverina an-tsekoly ireo ankizy mpianatra ao amin’ity kaominina ity fa mbola mandritra ny fotoana tsy voafetra. Hatramin’ny omaly mantsy dia tsy mbola nisy tompon’andraikitra tonga nijery na nanatitra lay mba hipetrahany ireo traboina ireo ka tsy maintsy ny sekoly no hipetrahany. Na izany aza, tsy maintsy hampianarina ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana ka ireo ambina efitrano sisa tsy misy olona no handraisana azy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.