Mifoha indray ny raharaha vono olona tany Anjozorobe nahavoatonontonona an’i Mathieu Rajaonarimampianina, zanaky ny filoha teo aloha. Ny volana febroary 2016 no nisian’ilay gidragidra,
fandroahana ireo olona tao amin’ny toeram-pitrandrahana vato tao Marotsipoy. Ny zanaky ny filoha no voatonona fa nitondra ireo mpitandro ny filaminana sy vadintany, izay nifandresy lahatra tamin’ny fokonolona hiala tao anatin’io kariera io, saingy tsy nanaiky lembenana ny vahoaka. Raikitra ny fampiasan-kery nanapoahana basy, ka voatifitra ary namoy ny ainy tamin’izany fotoana ny lehilahy avy amin’ny foko Tandroy antsoina hoe Mandignisoa. Tsy niseho mivantana ny zanaky ny filoha, saingy misy ny sary sy horonantsary manamarina fa izy no nitondra ireo mpitandro ny filaminana tany an-toerana, hoy kosa ny fianakavian’ny maty sy ny fikambanan’ny Tandroy amin’izao. Nilaza moa ny filoha Hery Rajaonarimampianina tamin’izany fa tsy tany Anjozorobe velively ny zanany ary nitaky ny porofo. Voaporofo amin’izao fa tany marina ny zanaky ny filoha, ary izy no atidohan’ireny gidragidra nahafaty ny fianakavianay ireny, hoy ny an-daniny. Milaza ny tsy hipetra-potsiny izy ireo ary hanao fanambarana goavana tsy ho ela mba hanairana ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny hijery akaiky ity raharaha ity. Tantara mitohy !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.