Actualités

Tandindonin-doza izao tontolo izao Mirongatra ny Djihadista


  • Zoma 27 Febroary 2015

Mikoropaka ary tsy mahatombona intsony izao tontolo izao manoloana ny firongatry ny asa fampihorohoroana miseho lany. Isan’ny re matetika tato ho ato ny EL na ilay vondrona Islamika mpampihorohoro. Raha somary nangingina ny Al Quaida dia ireto farany indray no mandrongatra

 

. Ny hita mantsy amin’izao fotoana dia tahaka ireny sekta mahery vaika ireny ary mahay misintona ireo olona ho mpikambana ao aminy mihintsy izy ireo,ka ny tanora no tena lasibatra. Hoan’ny taona 2014 iny dia manodidina ny 600 ireo tanora efa lasany ary tsy mifidy na lahy na vavy ; ka avy amin’ny firenena maro manerantany. Tsy fantatra marina ny toerana misy ny foibeny saingy matetika dia any Siria no hahenoana azy ireo. Na dia tsy miseho lany eto afrika aza ny El dia azo hinoana kosa fa isan’ny sampany ihany koa ny Boko Haram izay mateti-piavy ao Nizeria,eo ihany koa ny Touareg any Somalia sy ny maro hafa. Mahakasika ny fitaovana dia tena avo lenta sy manaraka ny fenitra tokoa ny hampiasain’izy ireo. Ary azo lazaina fa manana famatsiam-bola matanjaka. Ny fandinihin’ny maro dia mety ireto vondrona ireto no hitarika ny fisian’ny ady lehibe eto amin’ny planeta tany. Ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa.

Tojo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT