Nanaitra ny maro ny fanambarana an-gazety nivoaka omaly niraisan’ireo mpandraharaha telo mitrandraka tambajotran’ny fifandraisan-davitra eto Madagasikara amin’izao fotoana, dia ny Telma, Airtel ary Orange.
Niray feo ny telo tonta, mitsipaka amin’ny herin’izy ireo manontolo ny fikasan’ny FAT hametraka ny atao hoe : «Passerelle Internationale Unique», izay raha bangoina dia fisivanana ny antso rehetra mankany ivelany na ny avy any miditra eto, ka orinasa tsy miankina, ivelan’iretsy telo iretsy no hisahana azy io. Araka ny fantatra dia hisy didim-panjakana hivoaka, manery ireo mpandraharaha miasa amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra hampandalo ao amin’io orinasa tsy miankina io, izay serasera rehetra mivoaka sy miditra avy any ivelany. Rehefa natao ny fanadihadiana dia anisan’ny mpampiasa vola amin’io orinasa mpisivana io, ny olona mitana andraikitra ambony ao amin’ny fiadidiana ny Fahefana Avon’ny tetezamita, miaraka amina ministra (roa hatreto) amperin’asa amin’io governemanta Vital io, ary misy vazaha Frantsay koa.
Tao anatin’ny fikaroham-baovao no nahafantarana fa efa tamin’ny andron’i Augustin Andriamananoro, ministry ny fifandraisan-davitra, ny paositra ary ny teknôlôjia vaovao no efa nisy ny fikasan’ny FAT hametraka io sivana amin’ny antso iraisam-pirenena io, saingy toa tsy narisika mba tsy hilazana fa nanda ingahy ministra. Ary toa izay aza, araka ny loharanom-baovao ihany, no nitarika ny fanesorana azy teo anivon’ny governemanta ka nanendrena an’i Iharizaka Rahaingoson hisolo azy. Tsy nisy roa herinandro taorian’ny nandraisan’ity farany ny asany akory, izany hoe mbola tao anatin’ny fotoana nizarany asa, dia nofohazina indray ity tetikasa hafahafa ity. Araka fantatra anefa dia nitsivalana koa ingahy ministra satria tsy vitan’ny mifanohitra amin’ny sata mifehy ny fifandraisana iraisam-pirenena no mamoafady ihany koa, satria dia manohintohina tsotra izao ny fahalalahana miserasera ny fisiany. Dia niaraha-nahalala moa ny nanjo ity ministra tanora sady zandriolona indrindra tao anaty governemanta Vital ity. Nesorina toy ny tsy teo izy. Tsy vitan’izay fa mbola nanokafana dosie ary notaritarisina hatreny amin’ny Bianco ankoatra ny fampidininana mpanara-maso hitsikilo ny fitantanany tao. Ny raharaha Madamobil moa no ambentin-dresaka tamin’izay, fa azo antoka fa anisany koa ity «Passerelle Internationale Unique» ity.
Nakambana ho eo an-tanànan’ny praiministra ny fitantanana io departemanta stratejika io taorian’izay. Dia izao mahabe resaka izao. Ho an’ny mpandinika dia mazava ny tanjon’ny FAT amin’ity raharaha ity, dia ny hanarahany maso ny antso sy ny seraseran’ny Filoha Marc Ravalomanana, amin’ny mpiara-dia aminy eto Madagasikara sy izay mety ho mifandray tendro aminy eto. Araka ny fantatra koa mantsy dia tsy hijanona amin’ny antso io sivana io fa hitatra amin’ny Internet koa, ka mety ho tonga amin’ny fisivanana ireo tranokala na takelaka, tsy azo tsidihina.
Ry zareo Sinoa no malaza amin’ity zavatra kasain’ny FAT hapetraka sy hampiharina eto Madagasikara izao ity, nentiny nifehezana ny mpanohitra ao aminy. Koa raha io no mihatra eto dia ho henjana ny raharaha satria dia gejain’ny mpitondra tanteraka ny sehatra rehetra eto amin’ny firenena. Tsy vitan’izay miverina amin’ny manjakatokana fa endriky ny jadona ihany koa, ka tsy mahagaga ankehitriny raha ny mpifaninana (Telma, Airtel ary Orange) mihitsy no miray feo manohitra ny fanatanterahana izany. Tandindomin-doza rahateo koa ilay fahalalahana miserasera sy ny maneho hevitra, eny hatramin’ny tsiambaratelo sy ny mahaizy azy ny tsirairay mihitsy aza.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.