Afapo tamin’ny diany teto Antananarivo ny iraka avy amin’ny tanànan’i Paris sady avy amin’ny AIMF na ny fikambanana iraisam-pirenen’ireo ben’ny tanàna miteny Frantsay, nijery ifotony sy nanao dinik’asa niaraka tamin’ny
tompon’andraikitry ny tanànan’Antananarivo amin’ny fanatanterahana tetikasa fandrindram-piterahana, izay azon’ny Renivohitr’i Madagasikara tamin’ny AIMF izy ireo, ka ny tanànan’i Paris no mpanohana ara-teknika, raha ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny CUA. Nihaona tamin’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Lalao Ravalomanana, ireto iraka avy amin’ny Tanànan’i Paris sy ny AIMF ireto omaly. Iraka izay nahitana an-dRamatoa isany Anaïs Mit, Valérie Ledour ary Christine Mauget. Nambaran’izy ireo tao aorian’ny fihaonana fa dinika ho fanombohana ny tetikasa fandrindram-piainam-pianakaviana eto an-drenivohitra no natao tamin’izany. Nahazoam-bola mitentina 100 000 Euros, ho fandrindram-piterahana ho an’ireo tovovavy sy vehivavy sahirana ara-pivelomana ao amin’ny Boriboritany voalohany, faha-2, faha-3 ary ny faha-4, ka ny BMH Isotry, ny CSB II Volosarika, ny CSB II Andravoahangy ary ny CSB II Namontana no hanatanterahana izany tetikasa fandrindram-piterahana izany. Anisan’ny sakana amin’ny fampandrosoana ny mponina amin’ny tanàna iva eto an-drenivohitra ny tsy fisian’ny fandrindram-piterahana ho azy ireo, antony maha-zava-dehibe izao tetikasa izao, hoy ny fanazavana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.