Actualités

Tanŕnan’i Mahajanga Dorana fa tsy misy maka ny fako


  • Alatsinainy 27 Desambra 2010

Manoatra noho eny Andralanitra ny setroka mijolofotra avy amin’ireo toerana fanariam-pako ao an-tanŕnan’i Mahajanga. Miavosa etsy sy eroa ny fako fa tsy misy mpaka.

Nitokona mantsy ny mpiasan’ny Kaominina, nandritra iny herinandro lasa iny, indrindra ireo mpaka fako, nitaky ny handoavana mitambatra ny karaman’izy ireo tsy voaloa efa ho efa-bolana amin’ity desambra 2010 ity. Mandra-pahita vahaolana dia niantso ny fikambanana TCR (Tanora Contre Ravalomanana) ny Kaominina hifanome tanana amin’ny fandraofana fako. Indray miserana ihany anefa izany, ka tsy nahasehaka ny fiavosan’ny fako, izay tsy mitsahatra mitombo isan’andro eran’ny tanàna ary efa manomboka mihanaka ka atahorana ny valanaretina. Hany hery dia ny fandorana eo am-pitoerana ny fako no natao. Tsy fantatra mazava anefa hatreto na avy amin’ny Kaominina ny toromarika nanaovana izany na ny mponina eny amin’ny Fokontany no nanapa-kevitra ny handoro tsotra izao ny fako, hampihena ny hadiriny sy tsy hiparitahan’ny loto. Na izany aza dia tsy nifankahitana indray ny setroka sy ny fofona eran’ny tanàna ankoatra ny fako.

Mikasika ity olana ao amin’ny Kaominina Mahajanga ity, na dia fantatra izao fa nezahan’ny Kaominina nefaina ny karaman’ny mpiasa. Ny zoma nialoha ny krismasy no nandoavana ny vola, ka karama telo volana ho an’ireo mpiasa antselika, ka tafiditra ao anatin’izay ireo mpaka fako, izay maro an’isa, roa volana ho an’ny ampahany sasany ary iray volana ny an’ny fônksiônera. Ankoatra ireo dia nizarana vary 20kg isan’olona ny mpiasa, raha 25kg no nampanantenaina tamin’ny herinandro lasa iny. Miisa 533 ny mpiasan’ny Kaominina ao Mahajanga ambonivohitra. Milaza ny mbola hanohy ny fitokonany izy ireo amin’ity anio ity, koa manahy ny amin’ny hihanahan’ny fako sy ny loto ny mponina any an-toerana.
 
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT