Actualités

Tanamakoa - Toamasina Mpiara-misotro nifampitifitra, roa no maty


  • Alatsinainy 26 Mey 2014


 Tsy fantatra mazava izay nahatonga ny fifamaliana tamin’ireto samy mpisotro tao anatin’ity trano fisotroana iray ao Tanamakoa P/elle 12/11 ity, fa efa tamin’ny misasak’alina fotoana tsy azon’ny trano fisotroana isokafana intsony no nitranga ny ady ny sabotsy alina nifoha ny alahady. Araka ny fanazavana azo dia olona roalahy mpinamana no nifamaly tamina roa lahy hafa, ka raha niakatra ny feo sy ny fifamaliana dia nivoaka ny trano fisotroana ilay roalahy mpinamana voalohany ; nanara-dia azy ireo koa ilay mpinamana faharoa. Tsy tapitrapitr’izay dia nihazakazaka niverina tao anatin’ilay trano fisotroana ilay roalahy mpinamana voalohany. Nanaraka azy ireo tao aoriana koa anefa ireo mpinamana roalahy faharoa nanara-dia azy ary nitifitra. Maty tamin’izany i Solo Willy sy Dahy Antonio, izay voa teo amin’ny lohany ny voalohany ary teo amin’ny vavany ilay faharoa. Efa eo am-pelatanan’ny zandary ny raharaha, ka ho hita ny ho tohiny amin’ny fanadihadiana hamantarana ireto roa lahy nitifitra azy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT