Mandeha ny dingana fametrahana ny tambajotra 5G hositrahana eto Madagasikara atsy ho atsy. Teknolojia avo lenta momba ny tambajotram-pifandraisan-davitra amin’ny finday sy « internet »
haingam-pandeha ny 5G raha faritana tsotsotra. Efa ampiasaina any ivelany io, fa ho an’ny eto Madagasikara kosa, voalaza fa nisy ny andrana natao nanomboka ny desambra 2019 amin’ny toerana miisa 20 ka ny 17 eto amin’ny faritr’Atananarivo ary 3 tany Toamasina. Orinasam-pifandraisan-davitra iray no nanao izany, ary tao anatin’ny fiaraha-miasa tamin’ny ARTEC (Autorité de régulation des technologies de communication), araka ny tatitra nataon’io Sampan-draharaham-panjakana io omaly. Ny orinasa Telma moa raha ny fahafantarana azy izay efa nanao ny andrana teknika nanomboka ny 2019 izay. Misy orinasa iray miketrika an’io ihany koa, saingy mbola tsy nisy aloha ny andrana nataony hatreto, raha ny fanamarihana. Ny fanaraha-maso nataon’ny ARTEC kosa dia nitatitra, fa nahafahana nandrefy ny pitsopitsony ara-teknika na “parametres techniques” tahaka ny hafainganan’ilay tambajotra, ny olan’ny fanelingelenana aterany,... Hatreto, milaza ny ARTEC fa misy ihany ny tsy fihetezana na “anomalies” noho ny fisian’ilay antsoina hoe: “débordement de fréquence” na tsy fiporitsahan’ny onja, izay miteraka fikorontanana ho an’ny tolotra na “services” hafa. Mbola tsy hafahafana mampiasa manontolo ny 5G io raha ny nambaran’ny ARTEC. Na izany aza, nilaza io sampan-draharaha io fa an-dalam-panantanterahana ny dingana mba hahafenoan’ny 5G fepetra tena miasa sy miodina ara-barotra tanteraka eto Madagasikara. Mieritreritra ny hanao fanadiovana sy fandrindrana ireo “bandes de frequences” ihany koa ny ARTEC araka ny fampahafantarana, ka hisy ny famoahana ny tondrozotra momba izany. Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny “gamme 3,5Ghz” no tena mifanaraka amin’ny 5G, saingy mbola misy sampan-draharaha hafa mitazona io izao. Hatreto, mbola an-dàlana izany famenoana ireo pitsopitsony ahafahan’ny teknolojia 5G hositrahana eto Madagasikara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.