Dimy taona tsy azo havaozina ny fe-potoam-piasan’ny Tale jeneralin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco).
Mifarana amin’ity aprily 2014 ity ny taom-piasan’ny jeneraly Rabetrano Faly, Tale jeneraly am-perinasa. Hifarana anio alarobia 16 aprily 2014 ny fandraisana ny dosien’ireo maniry ho amin’izany toerana izany. Raisina eny amin’ny CSI (Comité pour la Sauvegarde de l’Intégrité) Antaninarenina ny antontan-taratasy, misy komity hanao ny fisivanana. Ireo komity indray avy eo no manolotra anarana telo any amin’ny filohan’ny Repoblika, ary izy no manendry izay ho Tale jeneraly, izay ho fahatelo hatramin’ny oktobra 2004 nijoroan’ny Bianco.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.