Actualités

Taksiborosy voatafika Patiraon’omby 2 maty, 5 naratra miady amin’ny fahafatesana


  • Alakamisy 05 Martsa 2015

Patiraon’omby roa no maty tsy tradrano lavon’ny bala, dimy hafa naratra mafy, ka anisan’izany ny mpamilin’ilay fiara Mazda taksiborosy iray mpitatitra mpandeha mampitohy an’i Betroka sy Beraketa izay voatifitra teo amin’ny tratrany, mbola miady mafy amin’ny fahafatesana hatramin’izao

 

. Io no vokatry ny fanafihan-dahalo tamin’ny lalam-pirenena faha-13, nitranga afak’ omaly hariva, tokony ho tamin’ny 7 ora sy 15 minitra, 11 km tsy hiditra ny tanànan’i Beraketa (atsimon’ny kaominina Soanala Betroka). Raha ny vaovao voaray, malaso valo nirongo basy sy fitaovam-piadiana hafa no nanafika an’ity fiara fitateram-bahoaka nitondra mpividy omby ity, izay hamonjy tsena talata hividy omby ao Beraketa ireo voatafika ka naratra sy namoy ny ainy ireo. Tsy voafaritra mazava kosa aloha hatreto ny vola lasan’ireo jiolahy.

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT