Tsy afa-miala intsony ny taksibe miasa eto an-drenivohitra fa tsy maintsy manaraka an-tsakany sy an-davany izay voalazan’ny lalŕna.
Ho henjana mantsy ny fanaraha-maso ataon’ny Kaominina momba ny fandikan-dalàna samihafa fanaony izay mampitaraina ny mpanjifa. Ao anatin’izany ny fiverenana an-dalana na koa fodiana alohan’ny fotoana voatondro ao anatin’ny bokin’andraikitra Nilaza ny ofisie Andrianavalona Harivelo, Chef de corps eo anivon’ny Polisy Monisipaly fa hiasa alina amin’izay izao ny Polisy Monisipaly handamina ny fifamoivoizana. Marihina fa tokony ho amin’ny 9 ora alina ny fe-potoana iasan’ny taksibe nefa azo isaina amin’ny rantsan-tanana amin’ireo an’arivony maro eto an-drenivohitra no manaja izany. Hametraka ivontoerana ahafahan’ny mpandeha manao fitarainana momba ny kalitaon’ny asan’ny mpamily sy mpanampy azy koa ny Kaominina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.