Raharaha mbola mitana ny sain’ny maro ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona miisa 12, ka mpianatra madinika ao amin’ny sekoly La
Pépite d’or Ambohimanarina ny 6 tamin’ireo, ary naharatrana olona 32, nitranga ny zoma 29 aprily lasa teo, vokatry ny tsirambina sy ny tsy fitandreman’ny mpamily. Hisy diabe mangina fiaraha-miory amin’ireo niharam-boina tanterahin’ny olom-pirenena rahampitso. Hiainga eo amin’ny tany malaka ampitan’ny fiangonana Jesosy Mamonjy, Ankorondrano ny dia amin’ny 1ora tolakandro, mandalo ny Boulevard de l’Europe, mihazo an’Andraharo ary mifarana eny amin’ny sekoly La Pépite d’or Ambodivonkely Ambohimanarina, araka ny fanomezan-dalana nosoniavin’ny prefen’Antananarivo, Randriamanjarisoa Robert, omaly. Nahazo alalana hampiasa ny antsasaky ny arabe izorany ny mpandray anjara amin’ny diabe mandritra izany, fa tsy manelingelina ny fifamoivoizana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.