Nitrangana lozam-pifamoivoizana tamin’ny lalana rarivato eo am-pidinana Ampasanisadoda hihazo an’Antsakaviro iny omaly manodidina ny mitatao vovonana. Raha ny angom-baovao teny an-toerana dia nanana olana ara-mekanika ilay fiara minibus Mazda, zotra 128, nilaozan’ny hisatra teo am-pidinana. Nifaoka fiara kely iray izy avy eo nihanika sisin-dalana ary dia niverina nitsikasina tao anaty arabe. Naratra ny ankamaroan’ny mpandeha tao anatiny. Niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana tamin’iny faritra iny izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.