Mirongatra tanteraka ny asan-dahalo amin`izao fotoana ary mitombo isa hatrany izy ireo sady manana fitaovana avokoa.
Entina hiadiana amin`izany asa ratsy izany dia natsangana ny vondrona vaovao avy amin`ny tafika Malagasy izay nahitana ny Hery Manokana. Natao hanampy ireo tafika miandraikitra ny fanafihana lehibe ity vondrona ity ary alefa any amin`ny toerana sarotra ka vonona hiatrika izany araka ny nambaran`i Andrianarisaona Herilalatiana, lehiben`ny sampana seraseran`ny Zandarimaraim-pirenena. Nampahafantarina tamin`ny fomba ofisialy omaly teny amin`ny kianjaben`i Mahamasina nandritra ny Matso lehibe ny “Hery vaovao”. Mahakasika ny matso indray dia niisa 2 730 ireo mpandray anjara ka ny avy amin`ny tafika Malagasy no betsaka indrindra izay nahatratra 1 778. Ny eo anivon`ny zandarimariam-pirenena indray dia niisa 579. Miisa 37 kosa ny mpamonjy voina ary 46 ireo miaramila an`ala sy rano.
Matso farany
Tamin`ny 10 ora mahery, nirefotra ny tafondro ho fanomezam-boninahitra ny filoham-pirenena, izay niisa 21. Nanao ny fisafoana andian-tafika vantany vao niditra ny kianja ary nanomboka ny matso. Toy ny isan-taona, ny mpitsoka mozikan’ny tafika Malagasy sy ny zandarimariam-pirenena no nisantatra ny matso. Taorian`izay, nifanesy ireo vondron-tafika maro samihafa ka ny hery ana habakabaka no nanomboka azy, avy eo ny mpianatra miaramila ao amin`ny ACMIL sy Zandarimariam-pirenena. Niroso tamin`ny fampisehoana faneva nandritra ny matso. Nanao matso nandeha an-tongotra avokoa ireo 2000 isa mpandray anjara, ny ambiny nampiasa ireo fitaovana nananan`ny vondron-tafika toy ny fiara mifono vy, angidim-by… Tsy nisy fivoarana ny fitaovana nampiasaina fa ny teo aloha ihany no nampiasaina. Raha hiverenana ny tantara, ny 14 oktobra 1958 no nahaterahan’ny Foloalindahy Malagasy ary tafiditra amin`ny fanamarihana ny fetin`ny Fahaleovantena, 58 taona lasa izay. Teny filamatra nentina amin’izao fankalazana izao ny hoe: “Fitiavan-tanindrazana sy filaminana, antoky ny fampandrosoana ho fisandratan’i Madagasikara”. Marihana fa Matso farany natrehan`ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina amin`ny maha filoha azy omaly.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.