Tato ho ato dia niparitaka ny sarisary sy soratra ary sariitatra ihany koa izay mananihany ny kandidan’ny antoko Kintana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy, Tabera Randriamanantsoa, ary hita ho maniratsira mihitsy aza ny sasany.
Nilaza ny heviny mikasika azy ireny ity kandida ity ary nanambara fa “demokraty” izy ary “tsy hitory”. Zarako aza misy an’ireny mampalaza ahy. Mampirisika ny mpanao azy mihitsy aho hoe tohizo, hoy hatrany izy tamin-tsiky. Ankoatra izay, nanazava ny tenany fa raha amin’ny maha mpanao politika sy filohana antoko azy kosa indray dia tsy vao izao no nivoizany ilay “ Fokonolona masi-mandidy”. Ny volana mey 1991, hoy ny tenany, no efa nanaovanay fanambarana mikasika an’io. Hitanay fa amin’ny alalan’ny asam-pokonolona ihany no hahafahana mitondra fandrosoana eto. Tsy tian’ny vazaha io ary antony nahafaty an-dRatsimandrava. Tsy mitombina koa aminy ny filazana fa tsy mira zotra ny rafitra federaly sy ny fokonolona. Ho azy dia rafitra federaly tamin’ny andron’Andrianampoinimerina ny fokonolona izay nipoiran’ny resaka Foko 18 taty aoriana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.