Omaly alarobia 30 mey no nanao fanambarana tetsy amin’ny Ministère de la Fonction Publique, de la Réforme de l’Administration, du Travail et des Lois Sociales (MINFRAPTLS) ireo Syndicat Autonome des Inspecteurs du Travail (SAIT) manoloana ny toe-java-misy eto amin’ny firenena.
Teknisianina niofana manokana ny amin’ny asa sy ny sehatra tsy miankina no minisitra tokony hipetraka eo, araka ny fitakiana ataon’izy ireo. Ankoatra izay, ambany dia ambany ny tetibolan’ny MINFRAPTLS ho an’ny mpiasa sy ny sehatra tsy miankina. Manampy trotraka izany ny tsy fampianarana akory ny voalazan’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. Mbola hiverimberina ihany ny krizy ara-tsosialy sy ara-toekarena noho ny tsy fisian’ny minisitera manokana misahana ny asa sy ny sehatra tsy miankina. Ny tsy fisian’io minisitera io ihany koa no mahatonga ny tsy fananana asa eto Madagasikara.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.