Tsy nandeha amin’ny laoniny sady kitoatoa tanteraka ny fanadinana CEPE tamin’ity taona ity raha ny tatitra nataon’ny SEMPAMA.
Ny teo anivon’ny renivohitry ny fari-piadidiam-pampianarana ihany no nisy ny fanadinana ara-dalàna noho ny fiaraha-miasa tamin’ny mpampianatra avy amin’ny sekoly tsy miankina, hoy Rtoa Raharivelo, mpitondrateny. Lava dia lava ny lisitry ny ivontoerana tsy nisy fanadinana tamin’ny faritra samihafa teto amin’ny Nosy nomeny ho an’ny mpanao gazety fa singanina ny tao amin’ny Faritra SAVA izay tsy nahitana CEPE avokoa tamin’ny EPP telo tao Antalaha sy manerana ny Kaominina ambanivohitra Ambilobe. Torak’izay koa ny tao Iaritsena Ambalavao sy Maroboalina Mandritsara ary ny Kaominina Betatao, Ambila ary Vohimasina, Faritra Vatovavy Fitovinany. Ampahany ihany ireo.
Ambony dia ambony ny tahan’ny tsy fahatongavan’ny mpiadina amin’ny ankapobeny raha ny nambarany ihany satria nahatratra 1300 ireo mpanala fanadinana tsy nipoitra manerana an’i Boeny raha 400 kosa ny tao Mahanoro sy Vatomandry. Fa ny tena nisarika ny saina dia fampiasana olon-tsotra nisahana ny fiambenana ny efitrano. Kartie môbila no mpiambina (surveillant) tao Bendrarezina Bealanana raha mpivarotra “yaourt” sy gilasy kosa ny tao Marovoay. Milaza ho manana ny sary manaporofo izany ny SEMPAMA. Tao Analalava indray dia nisy mpiandry efitrano iray nandika ny valim-panadinana tamin’ny solaitrabe izany hoe tena “Manoro” ny ankizy mihitsy. Niavaka koa ny zava-nisy tao Ambatofinandrahana satria efa nisokatra ny laza adina mialoha ny fanombohan’ny fanadinana, hoy hatrany ny SEMPAMA.
Misy “Chef de Centre” roa moa nosamborina omaly tao Mandritsara sy Antsohihy noho izy ireo ampangaina no nanakana ny fanadinana. Raha ny fanazavan-dRaharivelo anefa dia noho ny tsy fahatongavan’ny mpiadina no nahatonga azy ireo nanatitra ny laza adina tany amin’ny zandary fa tsy resaka gafy akory. Mbola tantara hafa koa anefa no miandry amin’ny fitsarana ny laza adina satria tsy manaiky hanatanteraka izany ny mpampianatra SEMPAMA amin’ny faritra maro raha tsy hilaza afa-tsy ny ao Madritsara fotsiny. Tsy maintsy mpampianatra mitana ny taona faha-5 na faha-4 raha tsy ampy ny isa sady nahazo fiofanana mantsy no misahana ny fitsarana fa tsy azo ampiandraketina mpanabe hafa na olona ivelan’ny tontolon’ny fampianarana. Ho an’ny SEMPAMA dia tokony tsy hanan-kery ny fanadinana nahitana lesoka be tahaka iny farany iny raha ny lalàna no ampiharina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.