Actualités

“Studio” House of Madagascar Hanampy ny mpanakanto malagasy


  • Alarobia 12 Janoary 2011

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy omaly talata 11 janoary ny “studio” famokarana raki-kira sy raki-tsary etsy amin’ny Tranon’ny RNM (ny 25%-n’ny toerana ao) hoentin’ny orinasa House Of Madagascar tarihan’i Tiana Andria manampy ny mpanakanto malagasy amin’ny fampivoarana ny tsangan’asan’izy ireo hisedra ny tsena iraisam-pirenena.

“Sarotra ny ady amin’ny piraty raha mbola izao fahefa-mividin’ny Malagasy ambany dia ambany izao no mbola hividianana ny “originales”. Izany indrindra”, hoy ity tale ity, “no hanampiana ireo mpanakanto ireo mba ahafahana miatrika izany fifaninana any ivelany izany”. “Matoky izahay ny amin’izany”, hoy izy “fa manana ireo mpiara-miombon’antoka maro any ivelany raha tsy hiresaka afa tsy any Chine, Hong-kong, Dubai, Autralie, Indonezia sy Amerika fotsiny isika”. Tsy hanavahana gadon-kira sy mpihira ny famokarana ao amin’ity toerana ity ary hampiasain’ny Televiziona Malagasy amin’ny fakana feo sy sary ihany koa izy io sy ny fitaovana rehetra ao aminy izay an’ny HOM avokoa (Efa tetikasan’ny TVM tany aloha tany ity tanterahana ity, hoy ny fanamarihana). Nosokafana ofisialy tamin’io omaly io ihany koa ny “cantine” iray lehibe ao amin’ity toerana nohajarian’ny House Of Madagasikara ity ihany ka nandaniany vola an-tapitrisany maromaro ity. Mba tsy handanian’ny mpanakanto fotoana be loatra hivezivezy no tena antony araka ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra telo mianadahy napetraky ny orinasa hitantana azy (Rakotoarivelo sy Kalo Ginette ary i Danny) nefa dia azon’ny besinimaro hidirana ihany koa ao fa ahitana ny sakafo tena malagasy (ny mpiasan’ny RNM sy TVM aza moa dia voalaza fa hahazo fihenam-bidy amin’ny fidirana ao). Ny zoma takariva dia fantatra fa hisy irony “cabaret after work” malaza ankehitriny irony hatao ao.

Raha nanontaniana manokana ny amin’ny hoe : “Tsy matahotra ve ianareo amin’ny maha faritra mena itony toerana itony ?” i Tiana Andria dia nilaza tamim-pisalasalana ihany fa “tsy hitany loatra izay hamaliana izany ka aleo tsy eritreretina fa ny fampandrosoana ny mpanakanto malagasy no banjinina ary mazava ny fifanarahan-dry zareo amin’ny tompon-toerana”. Mbola miandry fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina hafa indray izany, araka ny voalazan’ny ministra Malazarivo Félix nanome voninahitra ny lanonana, ny fanarenana ireo efitra hafa ao amin’ny RNM izay kilan’ny afo tamin’ny fihetseham-bahoaka notarihin’i Andry Rajoelina tamin’ny 26 janoary 2009.
 
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT