Actualités

Startup Weekend Fianarantsoa Hanome sehatra hatrany ny fandraharahana


  • Sabotsy 19 Mey 2018

Omaly zoma 18 mey no nampahafantarina tetsy amin’’ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar) ilay hetsika maneran-tany “Startup Weekend” momba ny fandraharahana.

 Ho an’ny eto Madagasikara dia hotanterahina  any Fianarantsoa ao e-Atiala Andrainjato io hetsika io ny 25-26-27 mey ho avy izao. Nosafidian’ny mpikarakara manokana io faritany io noho izy resy kokoa amin’ny fandrosoana mihoatra amin’ny faritany hafa kanefa afaka misehatra ara-barotra sy maro olona manampahaizana. Fifaninanana famolavolana tetikasa hananganana orinasa  izay omanina mandritra ny 54 ora ary hovelabelarina ao anatin’ny 1 minitra monja ny startup. Araka izany dia hisy ireo mpitsara izay mpandraharaha matihanina, mpampiasa vola ary ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny hetsika. 80 eo ireo manana tetikasa handray anjara amin’ny fifaninanana ary misy olona 8 isaky ny ekipa iray. Ilaina ny hetsika sahala amin’itony satria mampiroborobo ny sehatra tsy miankina. Rehefa vita mantsy ny fifidianana dia tsy ilay iray nahazo ny voalohany ihany no hojerena sy hotantanan’ny minisitera sy ireo mpiara-miombon’antoka fa ireo rehetra hita hoe manana tetikasa mitombina sy manome vahana kokoa ny fivelaran’ny fandraharahana. Araka izany dia hisy ny famoronan’asa ho teraka aorian’izao hetsika famolavolana tetikasa hananganana orinasa izao. Anisan’ny hahazo tombony amin’ity fifaninanana ity  ny  fandraharahana ataon’ny tanora, ny vehivavy ary ny any amin’ny tontolo ambanivohitra. Mila ampandrosoina mantsy ireo sehatra 3 ireo satria mbola marefo sy ankilabao izany eto Madagasikara. Araka izany dia hitodika amin’ny tontolo iainana, ny fambolena sy ny fiompiana, ny informatika ny votoatin-kevitry ny tetikasa  hovoizina amin’ity Startup Weekend Fianarantsoa ity.


Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT