Actualités

SSME 2014 Naneho fahavononana ireo hery rehetra ao Amoron’i Mania


  • Talata 29 Aprily 2014

Fanentanana ny daholobe hitondra ny zanany hisitraka ireo tolotra ara-pahasalamana omen’ny mpiasan’ny fahasalamana no tanjona.

 Vonona tanteraka hiatrika ny herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza sy ny herinandro afrikanina ho an’ny vaksiny hanomboka ny alatsinainy 05 mey hatramin’ny zoma 09 mey 2014 ho avy izao ireo mpiasan’ny fahasalamana, tompon’andraikitra ara-panjakana, ray aman-dreny to teny, fikambanana, ONG, mpanentana isan-tsokajiny ao Amoron’i Mania amin’ny fanentanana mikasika ity SSME ity. Fantatra izany ny zoma lasa teo nandritra ny fivoriana fandresen-dahatra ny olobe isan-tsokajiny tao Ambositra ka namariparitana ireo asa miandry sy namoahana soso-kevitra hiatrehana io herinandro io. Zava-dehibe ity SSME andiany faha-16 ity satria nampidirana ny vaksiny miaro amin’ny aretim-pivalanana antsoina hoe Rotarix ho an’ny zaza. Araka ny vokatry ny SSME taona 2013 tao amin’ny Distrikan’Ambositra dia mbola misy zaza 196 tsy nahavita ny andiam-baksiny hatramin’ny farany.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT