Actualités

Sosialim-bahoaka Ilana vahaolana haingana avy amin’ny mpitondra


  • Zoma 20 Febroary 2015

Tsy fotoanan’ny fanoherana bontolo intsony ny vanim-potoana lalovan’ny firenena Malagasy ankehitriny. Efa nilaozan’ny toetr’andro ny fanonganam-panjakana izay nanapotika hatrany ny fiainan-dRamalagasy. Tena sarotra mazŕna ny fanarenana ny toekarena aorian’ny fiverenan’ny fitantanana ny raharaham-pirenena manaraka ny ara-dalŕna

 

. Niavaka manokana teo amin’ny tantaran’i Madagasikara moa ny fisehoan-javatra tamin’ny taona 2009 na dia anisan’ny voasokajy ao anatin’ny fanonganam-panjakana ihany aza. Nitambatra tao avokoa mantsy na fampiasan-kery na fandrobana na koa fanapotehana fananam-pirenena sy fananan’olona. Potika daholo ireo seha-pihariana tao anatin’ny 5 taona naharetan’ny krizy. Sahirana tanteraka ny fitondram-panjakana manoloana ireo fahavoazana izay mipaka eny anivon’ny isan-tokantrano ankehitriny. Lalan-diso ihany koa ny fikasana mbola hametraka fitsipaham-pitokisana amin’ny governemanta amin’izao fotoana izao. Takiana kosa anefa ny fandraisan’andraikitr’ireo mpitondra mahefa ka handrosoana vahaolana maika ho an’ny sosialim-bahoaka mialoha ny taona 2018, hoy ny sekretera jeneralin’ny Vahoaka Miray Gaby Vakiniadiana.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT