Actualités

Soka-dranomasina Mitohy ny fivarotana sy fihinanana ao Toliara


  • Alarobia 28 Mey 2014

Maso mahita ! Mitohy amin’izao ora anoratanay izao, ny fihazana, ny fivarotana ary ny fihinanana soka-dranomasina ao Toliara, indrindra ny ao amin’ny Fokontany Mahavatse ampitan’ny biraon’ny Zandary.

 Raha ny angom-baovao, dia Fano roa isan’andro no novonoina ka amidy masaka 500 Ariary ny tetika iray. Na misy aza ny fandrarana sy fanentanana amin’ny alalan’ny fanaovana peta-drindrina ny sarin’ireo trondro sy soka-dranomasina mety hitondra poizina, dia tsy mahasakana ny olona tsy hihinana izany.

Goragora fampiharana ny lalàna

 

Noho ny tsy fandraisana andraikitra angamba sa antony hafa ? Tsy misy miraharaha na tsy raharahain’ny olona ny naoty nataon’ny Praiminisitra teo aloha, Omer Beriziky, izay nahafahan’ny minisiteran’ny Jono sy ny Harena an-dranomasina nanao ny didy laharana faha-12666/2014 ny 23 martsa 2014, milaza ny famerana ny soka-dranomasina ho tahiry tsy azo jonoina noho ny nisian’ireny fanapoizinana azo avy amin’ny soka-dranomasina tao Toliara sy Antalaha ireny. Farany teo, tany Mahajanga dia nahafatesana olona ary mbola misy marary amin’izao ao amin’ny hopitaly Androva. Marihina fa voasokajy ho biby arovana atahorana ho lany tamingana efa voasoratra tao amin’ny “Annexe I” an’ny CITES ny Fano nanomboka ny taona 1981. Raha ny tokony ho izy dia mampanaja ny fiarovana azy ireo ny firenena rehetra manao sonia ny fifanarahana, anisan’izany i Madagasikara.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT