Actualités

« Société civile en action » Niaka-dapa teny amin’ny minisiteran’ny mponina indray


  • Zoma 27 Febroary 2015

Niaka-dapa indray ny alarobia teo ireo « Société civile en action » notarihan’ny Hafari Malagasy, ny Ctdhm sy ny Coddic ary ny Rndc ka noraisin’ny tao amin’ny

 

minisiteran’ny mponina tetsy Ambohijatovo na vao haingana aza no nanao fangatahana « audience ». Mampalahelo, hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy fa tsy mbola nisy fiarahamonim-pirenena nipetraka tsara amin’ny toerana hatramin’ny taona 1972 fa lasa misalotra ny asan’ny mpanao politika ny ankamaroany. Tsy noraharahain’ny fanjakana koa izy ireo hatrizay ka lasa manenjika tatitra fotsiny mba hahazoam-bola amin’ny mpamatsy vola. Tokony havahana tanteraka ny fiarahamonim-pirenena tena manao ny asa tahaka ny « Société civile en action » sy ny fiarahamonim-pirenena mpanao politika ary koa ny fiarahamonim-pirenena  mpisoloky, hoy ny Hafari. Natolony ny mpikambana ao amin’ny kabinetran’ny minisitra, Atoa Beto Jean Michel, nisolotena ny minisitra Onintiana Realy ny lisitr’ireo fiarahamonim-pirenena miisa 42 efa nisoratra fa tena hiasa ankehitriny. Nampita vaovao ny amin’ny fisian’ny olona roa maty tetsy amin’ny toerana La Réunion kely noho ny fiakaran’ny rano sy tsy fahatatesana hatsiaka koa Atoa Jean Nirina ary nilaza fa efa manamboatra ny trano fitaizana zaza kamboty eny aminy eny Anosizato handraisana ireo kilonga zanak’ity toerana ity hianatra ka hotokanana  ny 18 martsa izao miaraka amin’ny  fampisehoana amin’ny vahoaka ny taratasy fankasitrahana ny Hafari homen’ny Firenena Mikambana amin’ny faha-12 martsa izao izany. Masa-bary maito kitoza ny ministera sy ny fiarahamonim-pirenena, hoy Atoa Beto. Eo am-pandinihana tanteraka ity « Choc social » ity koa izahay ankehitriny ary vao avy nitsidika sy nijery ny zava-misy tany Ankarefo sy Andranofeno misy ny toby fiahiana mpifindra monina an’ny minisitera. Efa nanao ianareo eny Soaniedanana fa ho tsara sy hahomby kokoa  raha miaraka miasa isika ary manaitra ny mpamatsy vola avy any ivelany fotsiny avy eo. Tsy maintsy miainga amin’ny kely anana isika na dia 0,34 %-n’ny tetibolam-panjakana monja aza ny an’ny minisiteran’ny mponina. Hiaraka handrafitra ny « plan d’action » isika dia roso ny dia.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT