Trano miisa 27 tafo no fantatra fa rava vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Chedza tao Soaniedanana Ankazobe, toerana misy ilay tetikasa fifindra-monina tanterahin’ny fikambanana HAFARI Malagasy
. Tsy vitsy ireo mpifindra monina no nalahelo ka havadika ho parpaing avokoa ny biriky hanamboaran’izy ireo trano. Hisy ny injeniera manokana hampianatra ny fanamboarana izany, hoy ny filohan’ny fikambanana Rafanomezantsoa Jean Nirina ary hamidy amin’ny vidiny mora izany. Ny 10 martsa ho avy izao no hiroso amin’ny fanoratana ny tany amin’ny mponina ny fikambanana. Hiarahany amin’ny fitondram-panjakana izany ka ao anatin’ny roa volana no hanatanterahana ny asa. Mpandrefy tany avy ao amin’ny sampandraharahan’ny fananan-tany mihitsy no hidina any an-toerana ka hiantohan’ny fikambanana avokoa ny fiarovana azy ireo sy ny sakafony ary ny fiara hitondra azy. Anio zoma 30 janoary moa ny fikambanana HAFARI Malagasy no horaisin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta eny amin’ny birao eny Mahazoarivo handinihin’ny roa tonta ny momba ny sekoly hianaran’ny mpianatra, ny tsena ary ny hopitaly hitsaboana ireo marary.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.