Nanamafy ny fitakiana ny fialan’ireo Sinoa mitrandraka volamena eny Soamahamanina ny mponina any an-toerana.
Nisy hetsika nataon’izy ireo omaly, nombana sorabaventy maro nanehoany izany. Nilaza ny fanjakana, telo herinandro lasa izay, fa mihantona aloha ny fitrandrahana ataon’ilay orinasa sinoa Jiuxing Mines eny Soamahamanina. Noheverina fa hilamindamina ny raharaha taorian’izay. Mitohy hatrany anefa ny fitrandrahana, indrindra amin'ny alina. Niverina nanao fihetsiketsehana ny mponina omaly mitaky ny hialan’ilay orinasa sinoa tsy misy hatak’andro amin’ny tanin’izy ireo sy ny hanafoanana ny fahazoan-dalana hitrandraka volamena nomen’ny fanjakana ilay orinasa. Miezaka mandresy lahatra ny mponina any an-toerana ny prefe mba hanaiky io fitrandrahana ataon’ny Sinoa io. Mazava ny hevitry ny mponin’i Soamahamanina : fampitsaharana tanteraka ny fitrandrahana fa tsy fampiatoana fotsiny !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.