Actualités

Sisin-dranomasina Atsimo Andrefana Aripaky ny Sinoa ny hazan-dranomasina


  • Zoma 25 Mey 2018

Sahiran-tsaina ary velon-taraina ireo mpanjono madinika any amin’ny Faritra Atsimo Andrefan’ny nosy,

araka ny tatitra nentin’ireo solontenany tonga manatevina ny tolona etsy amin’ny 13 mey Antananarivo fa misy sambo miisa 6 manjono ny hazan-drano anatin’ny ranomasina manomboka any amin’ny distrikan’i Morombe mandalo an’i Toliara faha-II sy Toliara I ka hatrany Ampanihy  Andrefana any amin’iny Faritra iny.  Tena manao ny danin’ny kibony ara-bakiteny sy manao izay tiany atao ireo Sinoa mampiasa an’ireo  sambo 6 ireo.  Asa angamba efa voavidin-dry zareo iny fari-dranomasina iny fa tsy mifidy trondro hazaina ny sambon’izy ireo na kely na lehibe fa alainy daholo. Voaelingelina ny mpanjono Malagasy mpiray tanindrazana sahirana amin’ny fitadiavana famelomana vady aman-janaka satria lasan’ny dahalo ny omby, lasan’ny Sinoa ny tany ambolena, ny ranomasina sy ny trondro ao aminy. Inona sisa no hiveloman’ireo mpanjono madinika ? Inona no hiveloman’ny mpamboly sy mpiompy ? Ny vahoaka Malagasy any Atsimo Andrefana dia mitaky ny fialan-dRajao sy ny forongony mpivarotra tanindrazana amin’ny Sinoa ary manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena amin’ny fanaovana kolikoly avo lenta. Manantena ny hetsika tarihan’ny depioten’ny fanovana miisa 73 ny mpanjono any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana ary manohana ny vahoaka Malagasy amin’ny alalan’ny vavaka fa tena sahirana amin’ny fivelomana. MIALA RAJAO SY NY FORONGONY mpivarotra tanindrazana.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT