Actualités

Siramamy no nohafarana avy tany Malezia Kaontenera foana no tonga tao Toamasina


  • Alakamisy 30 Desambra 2010


Miteraka resabe teo anivon’ny varotra iraisam-pirenena sahanin’ny ladoany ny momba ireo entana nohafarana mpandraharaha tany ivelany. Tonga soa aman-tsara mantsy ny kaontenera ary mihidy tsara amin’ny “plomb”, saingy tsy misy entana akory tao anatiny. Mpandraharaha roa samy hafa no tratran’izany ny volana novambra lasa teo iny. Samy nanafatra entana tany Malezia ary samy siramamy avokoa no nohafarana tamin’izany. Ny orinasa Maersk moa no niantoka ny sambo nitondra ireto kaontenera tsy nisy entana nohafarana mpandraharaha roa ireto, ka kaontenera miisa 24 ny an’ny mpandraharaha voalohany, manodidina ny 20 kosa ny an’ilay faharoa.

Raha nanao fanadihadiana tsotsotra ny mpanao gazety dia fantatra fa teny am-piaingana tany Malezia mihitsy no efa tsy nisy na inona na inona ireo kaontenera nanafarana ny siramamy ireo. «Mafia» no tompan’antoka tamin’izao. Efa misy moa ny fanadihadiana mandeha ankehitriny, ary araka ny vaovao, toa nitory ny orinasa any amin’ny tany niaviany any Malaisie ireo tompon’entana, ka ho hita eo ny tohin’ny raharaha. Fa raha ny sandan’ireo entana tsy tonga ireo dia mitentina 36.000 tapitrisa ariary teo.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT