Actualités

SIRAMA Namakia Mampijaly ireo mpiasa ny Sinoa


  • Alarobia 05 Janoary 2011

Araka ny tatitra sy fampitam-baovao nataon’i Alisy Bin Soufou mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita (CT) dia mijaly tanteraka noho ny fanaparam-pahefana sy ny tsy fijerana ny maha olona ataon’ireo Sinoa mitantana ny orinasa mpamokatra Siramamy any Namakia ireo mpiasa Malagasy ao.

Tsy araka ny nifanarahana sy voasoratra ao amin’ny bokin’andraikitra ny zavatra ataon’ireo Sinoa araka ny filazan’ity mpikambana ao amin’ny CT ity, maniratsira ny mpiasa Malagasy izy ireo no sady tsy te hahalala izany hoe zon’ny mpiasa sy zon’olombelona izany. Efa nisy ohatra ny fihetsika mamoafady nataon’ireto Sinoa ireto, tahaka ny hoe mahandro alika ao amin’ny hotely hisakafoanan’ny Malagasy, izay tena karazana fanotàna fady tsotra izao any amin’iny faritr’i Namakia iny. Saingy efa nilamina ihany ny raharaha noho ny ezaka natao’ireo raiamandreny tao an-tanàna. Fa ny tena mampitaraina ny mpiasa araka ity tatitra ity dia ny fidangan’ny vola alain’ny Sinoa amin’izy ireo ho saran’ny jiro sy ny rano ampiasaina. Hatramin’izay anefa dia tsy nando jiro sy rano ireto mpiasa ireto.

Eo ihany koa ny fampitombona tsotra izao ny velaran-tany hiasan’ny mpiasa iray amin’ny fikapana ny fary ; raha toa ka 300 ka hatramin’ny 400 m² izany araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’andraikitra, dia sahin’ireo Sinoa ny mampiakatra izany hatrany amin’ny 800 m² araka ny fanazavana ihany. Ary raha misy ny zavatra ambaran’izy ireo fa tsy mahafapo azy dia andrimbinany avy hatrany ny karama, karama izay azo ambara fa efa kely satria tsy mihoatra ny iray hetsy ariary araka ny fitantaran’ny mikambana CT Alisy Bin Soufou azy ihany. Niantso ny tompon’andraikitra mahefa moa izy mba hijery akaiky ity toe-draharaha ity satria tsy rariny loatra ny mahazo ireo mpiasa Malagasy noho ny fanapaharam-pahefana ataon’ny Sinoa izay mieritreritra fa efa manana ny fahefana rehetra eto izy ireo. Ankoatr’izay dia niantso ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita, Andry Rajoelina ity mpikambana ao amin’ny Kongresy ity mba hitsidika iny faritr’i Soalala, Mitsinjo sy ny manodidina iny fa tena mirongatra be ny tsy fandriampahalemana any an-toerana ary tena mijaly ny mponina noho ny fahasahiranana ara-pivelomana.

 
RTT
 
Sary : Antitra ny foto-drafitrasan’ny Sirama Namakia (Tahirin-tsary)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT