Vao nolaniana teny anivon’ny Antenimieram-pirenena ny volana marsa lasa teo ny politikam-pirenena entina miady amin’ny Sida eny anivon’ny toeram-piasana.
Nosafidiana ny Faritra Boeny entina hampiharana voalohany ny fomba enti-miady amin’izany, indrindra ny Kaominina renivohitr’i Mahajanga satria ahitana karazana orinasa maro samihafa. Natao tao amin’ny Les Roches Rouges Mahajanga ny Zoma 23 Mey 2014 ny dinika niarahan’ny Faritra Boeny, ny BIT sy ny ministeran’ ny Asa sy ny Asa sosialy ary ireo mpiasa sy mpampiasa izay nahitana mpandray anjara 104. Fantaro àry fa 37 ny mpiasa efa matin’ny aretina Sida tato anatin’ny Faritra nanomboka ny taona 2006 no mankaty. 206 no mbola mitondra ny tsimok’aretina VIH nefa mbola miasa eny anivon’ny orinasa ankehitriny hoy ny avy ao amin’ny sampan-draharaha miandraikitra izany. Ny 20 dia efa lasa nifindra monina ivelan’ny Faritra ary heverina ho 42 ny mpiasa mitondra ny tsimok’aretina kanefa tsy nandalo fitiliana. Nambaran’ny Talen’ny BIT, Atoa Ntsay Christian, fa mbola latsaka ny 01% ny tahan’ny olona mitondra ny VIH SIDA eto Madagasikara ka mila atao ny fomba rehetra tsy hitombon’izany. Nambaran’ny lehiben’ny faritra Boeny Saïd Ahamad Jaffar fa mila manova toe-tsaina isika mpiasa manoloana ny ady atao amin’ny tsimok’aretina VIH SIDA. Mila manao fitiliana mba hahafahana mandray an-tànana dieny mialoha mba hitohizan’ny asa, sy ho afaka mamokatra, satria mbola matanjaka ka hisy hatrany ny fampandrosoana. Ny fianakaviana afaka miady amin’ny fahantrana na dia mitondra ny VIH aza ny mpamelona ao an-tokantrano hoy izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.