Miditra an-tsehatra hatrany ny sampana seraseran’Ambohitsorohitra raha vao misy ny hevitry ny olona izay manakiana ny filohan’ny FAT. Ny tena olana dia lasa fitaovana fanenjehana olona ity sampana ity, izay raha ny tokony ho izy dia entina hanatsarana ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana, ny mpanao gazety ary ny besinimaro no tena tokony hifotorany.
Tato ho ato izay dia ny mifanohitra tanteraka amin’izany no nitranga. Na avy amin’ny fampitam-baovao na avy amin’ny hevitra kotrehin’ny tompon’andraikitra dia lasa fanenjehana olona hatrany no misongadina. Tsy hiverenana intsony angamba ny famaliana amin’ny ambongadiny ny Amerikanina izay mba naneho ny heviny. Farany teo koa izao dia mpanao gazety iray no nenjehina, avy amin’ny alalan’ny gazety akaiky ny FAT ihany, ary nolazaina fa mpanakorontam-panjakana. Notononina mihitsy ny anarany ary noharatsiana tamin’ny fomba izay fanimbana ny maha olona azy mihitsy. Asa, izany agamba no atao hoe serasera, amin’izay indray any amin’ny sehatra farany ambonin’ny firenena (Ambohitsorohitra) izay tokony hitondra ohatra tsara sy sary tsara ho an’ny fitondrana.
Asa raha mba tsapan’ireo anefa fa samy nahafantatra ny fisian’ny mpanao gazety iray izay akaikin’ny FAT – ka nogadraina tamin’ny alakamisy teo rehefa nanao heloka bevava - avokoa ireo mpiasan’ny haino aman-jery. Io mpanao gazety io, izay tonian-dahatsoratra mihitsy aza, dia efa mitondra ny fiara an’ny fiadidiana ny fahefana avon’ny tetezamita mihitsy noho ny maha akaiky azy ny tompon’andraikitry ny serasera izay lehibeny rahateo any amin’ny gazety an-tsoratra iray. Mba ho fifanajana sy fifampitaizana anefa dia samy nangina avokoa manoloana an’izany ny mpanao gazety. Ankehitriny, raha vao tsy mifanaraka amin’ny filan’Ambohitsorohitra ny lahatsoratra an-gazety dia avy hatrany dia ilay olona nanoratra azy no henjehina sy haratsiana amin’ny endriny rehetra. Izany tokoa ve no atao hoe serasera ? Amin’izay koa dia mangina tanteraka ary toa mandala an’izany ny ao an-dapa, mety tsy mahatakatra angamba fa ny sarin’izao fitondrana izao no miharatsy andro aman’alina amin’ny fanenjehana toy izao ...
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.